Atikena recette astuce

Sady recette ity manaraka ity no astuce mampalemy tsara ny atikena. Toy izany ihany koa ny fandrahoana voakena sy arikena.

Atikena

Isan’ny olona: 4

Fotoana hikarakarana azy : 10 mn

Fotoana hiketrehana azy : 10 mn

Akora ilaina

  • Ati-kena,
  • menaka, sira, poivre, tongolo lay,

Fikarakarana atikena

  1. Voasana ny ati-kena, izany hoe esorina ilay hodiny manify ary tetehina fisaka.
  2. Afanaina tsy mamay be ny menaka dia arotsaka ny atikena.
  3. Rehefa hita masamasaka 3mn eo ny lafiny iray dia avadika ary avela ho masaka 3mn koa ny lafiny iray.
  4. Eo vao asiana sira, poivre, tongolo lay ary avela hiketrika 2mn.

    Atikena saosy
    Atikena saosy

Fanamarihana

  • Mampalemy ny atikena koa ny fanasiana azy lafarinina kely alohan’ny anendasana azy.
  • Ny ati-kena dia arakarak ny andrahona azy ela no mahamafy azy.
  • Toy io recette io ihany koa ny fandrahoana voakena sy ny arikena.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *