Calzone façon Croque Monsieur à la Poêle

Calzone façon Croque Monsieur à la Poêle.

Isany: 10

Fotoana ikarakarana azy : 1h 20mn

Fotoana iketrehana azy : 10 mn

Akora ilaina

  • 500 g de farine
  • 1 sachetd e levure Saf instant
  • sel
  • sucre
  • huile
  • 25cl d’eau
  • sauce bechamel na sauce tomate
  • mortadelle
  • fromage

Fikarakarana Calzone façon Croque Monsieur à la Poêle

Pâte pour 10 calzones: Azo atao pâte à pain na pâte à pizza ihany koa.
Afangaro ny 500g de farine sy 1sachet de levure Saf Instant sy 1 cuillère à café de sel sy 2 cuillère à café de sucre sy 2 cuillère à soupe d’huile ary 25cl d’eau chaude. Alefa tsikelikely mandra-pitambatra tsara. Volavolaina 10mn. Atao boule dia repos 1h saromana lamba. Tsy atao akaiky vava rivotra.

Rehefa vita ny 1h de pause dia zaraina 10 boules ilay pâte dia fisahana ho 2mm d’épaisseur tsirairay. Asiana sauce béchamel na sauce tomate sy thym,avy eo mortadelle, avy eo fromage.

Akatona en demi-lune ny pâte efa misy farce dia tsindrina tsara aminy lohatanana ny sisiny.

Osorana menaka matevitevina ny lapoaly ambony afo malefadefaka. Apetraka ny calzone dia saromana mba hampitsonika tsara ny fromage.

Rehefa mahazo loko tsara dia avadika ary atao mahazo loko tsara koa ny face ilany. Saromana hatrany.

Toy izao izy rehefa vita:

Calzonne façon croque monsieur à la poêle
Calzone façon croque monsieur à la poêle

Mazotoa tompoko!

© Rova Andriantsoa