Gnocchi à la bolognaise

Gnocchi à la bolognaise revisité.

Isan’ny olona: 4

Fotoana ikarakarana azy: 20 mn

Fotoana iketrehana azy : 30 mn

Akora ilaina

 

  • 500g ovy masaka voapotsitra,
  • 250g de farine,
  • 2 oeufs,
  • 3 portions de fromage Teama ou vache qui rit (facultatif fa manatsara ny tsirony),
  • sel,
  • beurre ou huile,
  • tomates, oignons, ail,
  • viande hachée,
  • thym,
  • sucre, poivre,

Fikarakarana Gnocchi à la bolognaise

 

1: Afangaro ireo ingredients rehetra ka volavolaina mandra-pahazo pate mitambatra tsara.

2: Zaraina boules marmaro ny pate. Volavolaina ho boudin tsirairay ny boules sady osorana farine kely ho maina tsara. Tapatahana ahazoana morceaux de 2cm.

3: Tsindriana kely amin’ny fourchette tsirairay avy ny Gnocchi ahazoana ny endriny (étape facultative io fa tsy voatery atao).

4: Arotsaka anaty rano mangotraka ireo Gnocchi ka raha vao mitsingevana dia esorina ary tsihifina.

5: Atao anaty lovia jobo ny Gnocchi masaka. Asiana beurre na huile kely tsy hiraikitra mandra-pikarakara ny sauce.

6 : Sauce bolognaise tsotsotra: voasana ny tomates misimisy, rapena ny oignons sy ail sy totokena. Atao anaty vilany ireo dia tetehina kely. Rehefa ritra ny ranon’ny tomates dia asiana thym sy huile sy sel sy sucre kely sy poivre. Araraka ambony Gnocchi ny sauce.

Gnocchi à la bolognaise
Gnocchi à la bolognaise

Mazotoa homana!

© Rova Andriantsoa.