Laoka tsotra mety tsara ho an’ireo mifady hena sy voatabia: anandrano sy atody.
Isan’ny olona: 4
Fotoana ikarakarana azy : 10 mn
Fotoana iketrehana azy : 10 mn
Akora ilaina
- Cressons (anandrano),
- oeuf,
- huile, oignon, sel, ail,
Fikarakarana anandrano sy atody
- Rehefa voadio tsara ny anandrano dia tsihifina tsara.
- Afanaina mamay tsara ny menaka dia arotsaka ny anana. Tsy saromana ary atao mahery be ny afo ho mora ritra.
- Arotsaka ny oignon sy ail sy sel sy atody voakapoka. Rehefa mitambaingana ny atody dia vita.

Fanamarihana
Azo soloina haricots verts ny anandrano ary soloina ovy ny atody.
Mazotoa homana!
© Rova Andriantsoa.