Beignets de Chou na Mofo Laisoa

Ito indray misy azo atao gouter, tsotra dia tsotra: Beignets de Chou na Mofo Laisoa.

Isan’ny olona: 4

Fotoana ikarakarana azy: 15  mn

Fotoana iketrehana azy : 15 mn

Akora ilaina

 

  • 1 chou,
  • 3 oignons,
  • 3 tomates,
  • 2 oeufs,
  • 150g de farine,
  • sel, poivre, huile,
  • 1/2 verre d’eau tiède,

 

Fikarakarana Beignets de Chou na Mofo Laisoa

 

Tetehina tsy dia manify loatra ny laisoa 1 kelikely, toy izay koa 3 oignons ary 3 tomates.

Tetehina ny oignon, tomate ary laosoa
Tetehina ny oignon, tomate ary laosoa

Afangaro ny 2 oeufs sy 150g de farine sy sel sy poivre sy rano kely juste mampadity ny pate.

Afangaro ny oeuf sy farine
Afangaro ny oeuf sy farine

Arotsaka anaty pate ny laisoa sy tomate sy oignon.

Arotsaka anaty pate ny laisoa
Arotsaka anaty pate ny laisoa

Raisina tsikelikely amin’ny sotro dia endasina, tsy mila menaka betsaka.

Endasina ny mofo laisoa
Endasina ny mofo laisoa

 

Fanamarihana

 

  • Azo atao laoka amin’ny hariva ampiarahina amin’ny vary sosoa sy sakay kely.
  • Azo atao garniture ihany koa.

© Rova Andriantsoa