Beignets de Pommes

Vokatra ny paoma ka araraotina. Ity indray ary ny version Beignets de Pommes amin’ny fomba Malagasy.

Isan’ny olona: 4

Fotoana ikarakarana azy: 5 mn

Fotoana iketrehana azy : 30mn

Beignets de Pommes

Akora ilaina

  • 4 pommes
  • 1 càs de sucre
  • 1/2 càc de poudre de canelle (facultatif)
  • 4 càs sucre
  • 1 oeuf
  • 8 càs de farine

Fikarakarana Beignets de Pommes

Fikarakarana Beignets de Pommes
Fikarakarana Beignets de Pommes
  1. Voasana ny pommes 4, tetehina boribory tsy fisaka loatra ( eo aminy 5mm eo), esorina ny voany.
  2. Andrahoina amin’ny rano kely tsy avela halemy be, asiana 1 càs sucre+1/2 càc de poudre de cannelle raha misy dia tsihifina avy eo.
  3. Ampandalovina pate a beignets (afangaro tsara ny 4 càs sucre sy 1 jaune d’oeuf, arotsaka 8 càs de farine, avy ny rano ahazoana pate marihitra ary farany ny blanc d’oeuf efa voakapoka en neige, io dia fomba tsy mampitroka menaka) dia endasina.

Mazotoa homana!

Beignets de Pommes
Beignets de Pommes