Fikarakarana calzone tressée amin’ny lapoaly. Afaka atao anaty four ihany koa. Cuisson: 15mn, 200 degrés. Préchauffena 10mn ny four.
Isan’ny olona: 4
Fotoana ikarakarana azy: 20 mn
Fotoana iketrehana azy : 25 mn
Akora ilaina
- 500g farine,
- 1 sachet levure boulangère Saf Instant,
- 2 càs huile,
- 2 càs sucre,
- 1 càc sel,
- 1,5 tasses rano mamay alefa tsikelikely,
- Farce au choix: ovy nendasina, poulet, sel, poivre, maïs doux (efa masaka).
Fikarakarana calzone tressée
Afangaro ny ingrédients rehetra ilaina aminy pâte. Rehefa mahazo boule mitambatra tsara dia kosehina 10mn à 15mn. Atao anaty bol lehibe, saromana lamba mandritry ny 1h, tsy atao azon-drivotra. Rehefa vita ny 1h dia mitombo be ny pâte.
Zaraina roa ny pâte dia fisahana manify lavalava. Didiana amin’ny antsy toy izao ny sisiny 2 ahazoana bandelettes. Apetraka ny farce efa masaka.
Arandrana ireo bandelettes.
Osorana menaka ny lapoaly lehibe. Endasina ao ny calzone amin’ny faces rehetra mandra-paha doré tsara. Atao afo malefadefaka ary saromana ny lapoaly ho masaka tsara ny pâte.
© Rova Andriantsoa
