Soson-daoka anio: esturgeon sauce (carcasse trondro avy hakana filet fa mbola be nofo be ihany). 4000ar ny kg eny amin’ny poissonerie.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 30 mn
Fotoana hikarakarana azy: 10 mn
Akora Ilaina
- Trondro (esturgeon);
- Tomates, oignons;
- Sira, rano;
- Ail, ciboulette;
Fomba fikarakarana esturgeon sauce
- Manao sauce tomate sy oignon. Arotsaka ao ny trondro sy sira ary rano dia avela hitanika mandritra ny 20mn.
- Arotsaka ny ail, avela hitanika mandritra ny 5mn. Avy eo dia arotsaka ny ciboulette voatetika vaventy ary bataina hiala ny afo.
- Saromana 5 mn ny rehetra dia afaka aroso.

Fanamarihana
- Raha eto antananarivo dia eny amin’ny poissonnerie Manda (67ha Nord Est na Analakely, ambadikin ny pavillon, akaikin sopromer, etc. ) no ahitana ireo esturgeon ireo.
- Matavy be sady ohatry ny cremeux izany ny tsiron’ny esturgeon.
Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.