Gogo sauce

Ity ary ny soson-daoka ho an’ny rahampitso :  gogo sauce. Ny gogo moa dia ireny trondro andranomamy somary mamiratra mangamanga ireny ny lokony. Azo atao sauce tsara na koa asaly, zany hoe hamainina.

Isan’ny olona: 4

Fotoana hikarakarana azy: 25 mn

Fotoana hiketrehana azy: 56 mn

 

Akora ilaina

  • Tomate, oignon, ail
  • Sel, poivre
  • Ciboulette
  • Curry
  • Trondro (gogo)
  • Rano 

Fomba fikarakarana Gogo sauce

  • Manao sauce tomate, oignon ary ail.
  • Arotsaka ny trondro (gogo), sel, poivre ary tamotamo na curry kely (na koa Safran) dia ampiana rano.
  • Avela hiketrika 30mn.
  • Arotsaka ny ciboulette mitetika vaventy.
  • Saromana 1mn dia vita.
Gogo sauce
Gogo sauce

Mazotoa homana!

© Rova Andriantsoa