Sakafo anio: Henabaolina sy tsaramaso lena nampiarahina tamin’ny lasary voatabia.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 25 mn
Akora Ilaina
- Tsaramaso lena;
- Totokena;
- Poivre, sel, ail, gingembre,tomates, oignon;
- Romarin, thym;
Fomba fikarakarana Henabaolina sy tsaramaso lena

- Andrahoina halemy tsara ny tsaramaso lena.
- Afangaro ny totokena sy sel sy poivre sy ail ary gingembre. Atao boulettes avy eo ary endasina dia atokana. Ny menaka nanendasana ny boulettes no anaovana sauce tomate sy oignon.
- Arotsaka ao anaty tsaramaso ny sauce sy boulettes ary sira (raha manana romarin na thym kely voamaika tsara be). Avela hitanika 10mn dia vita.
- Aroso miaraka amin’ny lasary voatabia.
Mazotoa homana!