Laokan’izay maika ho an’ireo mila sopapa ô: Kitozan-kisoa sy ravim-bomanga endasina .
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy: 20 mn
Fotoana hiketrehana azy: 25 mn
Sommaire
Akora ilaina
- Sel, poivre, ail,
- Nofon-kisoa,
- Angivy,
- Anamamy
- ravim-bomanga na Pack choi,
Fomba fikarakarana kitozan-kisoa sy ravim-bomanga endasina
- Asiana sel sy poivre ny nofo-kisoa voatetika lavalava dia endasina amin’ny menaka misimisy ary atokana.
- Atao mafana tsara ilay menaka nanendasana kitoza. Arotsaka ny ravim-bomanga miampy sel ary ail. Atao mahery be ny afo. Tsy saromana mba tsy hitera-drano nefa mantamanta.

Fanamarihana
- Anamamy na pack choi (bemol) koa tsara be atao toa an’io.
- Afaka asiana ron’angivy ihany ko.
Jereo ihany koa:
Mazotoa homana!
© Rova Andriantsoa