Pate levée

Pate levée :base pate à pain, pizza, calzone, panini pour 600g.

Isan’ny olona: 4

Fotoana hikarakarana azy: 20 mn

Fotoana hiketrehana azy: 40 mn

Akora ilaina

  • 500g de farine
  • 1 sachet de levure
  • Sucre, sel
  • Rano
  • Huile
Pate levée
Pate levée

Fomba fikarakarana Pate levée

  1. Afangaro anaty bol lehibe ny 500g de farine sy ny 1sachet de levure boulangere Saf Instant. Ampiana 2 cas d’huile, 2 cas sucre, 1 cac sel ny 40cl na 50cl rano mamay izay zakan’ ny tanana (izany hoe mamay fa tsy matimaty).
  2. Ny rano dia arakaraky ny type de farine, ka aleo alefa tsikelikely.
  3. Mila maina tsara nefa tsy miraikitra ny pate.
  4. Kosehina 10mn ho souple sy malama tsara.
  5. Fonosina lamba mafana avy eo.
  6. Mila temps de pause 1h mba hitombo tsara.
  7. Azo ampiasaina amin’ izay.

Fanamarihana

  • Misy manisy atody na beurre araka ny fantaisie-ny fa io no recette de base.
  • Misy koa mandevona ny levure anaty rano mafana fa io no haingana kokoa ary tsy mbola ni-rater.
  • Ny pain à hamburger toy ny brioche na pain au lait na pain de mie dia azo  soloina 75g beurre mou ny huile, ary lait mamay no hanoloana  ny rano. Atao anaty la four 200 degres mandritra ny 20mn. Mila dorure amin’ny jaune d’ œuf sy sesame ihany koa.

 

Mazotoa mamerina!

©Rova Andriantsoa