Matetika isika sahirana mitady fangarona pâtes. Tsy voatery ho izay lafo vidy anefa no tsara fa miezaka isika miaina amin’ny zava-misy. Tao aorianan’ny fomba fikarakarana ny pâtes garnie amin’ny fomba gasy dia indro atolotra androany ny fikarakarana pâtes aux oeufs et aux champignons noirs.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Akora Ilaina
- Pâtes (pâtes gasy),
- champignons noirs,
- Atody,
- Tomates, oignon,
- Sel, poivre, huile, eau,
- ciboulettes.

Fomba fikarakarana pâtes aux oeufs et aux champignons noirs
- Andrahoina ny pâtes dia atokana.
- Lomana rano mafana ny champignons, manao omelette dia samy tetehina lavalava ireo.
- Manao sauce tomate sy oignon sy sel ary poivre dia arotsaka ny champignons.
- Atao ambony lovia ny pâtes, apetraka ny sauce sy champignons sy omelette ary rarahana ciboulette.
Fanamarihana
Tongolo maitso no atao hoe ciboulette, betsaka no tsy mahafantatra na manafangaro azy io.
Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.