Pates et légumes sautés au beurre

Sakafo anio tsotra nefa mahavoky sy matsiro: Pates et légumes sautés au beurre.

Isan’ny olona: 4

Fotoana hikarakarana azy: 20 mn

Fotoana hiketrehana azy: 25 mn

Akora ilaina

  • Pates
  • Ail
  • Oignon
  • Carotte, haricot verts, courgette
  • Pak choi, celerie
  • Ciboulette, coriandre
  • Sel, poivre
  • Sauce de soja
Pates et légumes sautés au beurre
Pates et légumes sautés au beurre

Fomba fikarakarana pates et légumes sautés au beurre

  1. Andrahoina mialoha ny pates dia atokana avy eo.
  2. Afanaina ny beurre dia arotsaka ny ail, oignon, carotte, haricot verts, courgette, pak choi (anana bemol), celerie, pousse de soja na sauce soja, sel ary poivre.
  3. Adrahoina amin’ny afo mahery be mba tsy hitera-drano.
  4. Arotsaka ny pates avy eo.
  5. Afangaro avy eo ka  rarahana ciboulette sy coriandre.

Fanamarihana

  • Mety hapiasaina daholo na paty gasy na vahiny.

 

Jereo ihany koa

Pâtes aux oeufs et aux champignons noirs

Pâtes garnie