Tao aorinan’ny cotelette laquée dia ity indray ary ny recette de poulet laqué, natao tamin’ny nahandro gasy:
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 1h30mn
Fotoana hikarakarana azy: 3h
Akora Ilaina
- Ail, gingembre, sira, poivre,
- sauce soja,
- tantely,
- Akoho 1kg.
Fomba fikarakarana poulet laqué
- Tetehina ny akoho dia lomana ail sy gingembre sy sira sy poivre sy sauce soja sy tantely mandritry ny adiny 3h amin’izay mahazo tsiro tsara.
- Avy eo ampidirina ao anaty four mandritra ny 1h30 na endasina amin’ny afo malefaka dia vita.
Fanamarihana
Ny fatrany tantely izany dia miankina amin’ny goût-ny tsirairay. Izay tia mamy be dia raha 1kg de poulet dia 4 càs ny tantely ampiharahina aminy. Avy eo équilibrer-ny sauce soja sy sira dia tsy dia mamy be.
Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.