Saonjo gasy indray no natao entrée anio, niaraka tamin’ny concombre toy ilay fanao ovy ihany: Purée de tarots à la belle vue.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy: 25 mn
Fotoana hiketrehana azy: 55 mn
Akora ilaina
- Saonjo
- Sel
- Jus de citron
- Vinaigre
- Sardine
- Oignon
Fomba fikarakarana Purée de tarots à la belle vue
- Andrahoina ny saonjo dia potserina ary asiana sel sy jus de citron na vinaigre kely.
- Avela hangatsiaka kely avy eo.
- Potserina ny sardine.
- Afangaro amin’ny sardine dia afangaro amin’ny saonjo.
- Atao be oignon voatetika dia vita.
Mazotoa homana!
©Rova Andriantsoa