Ao anaty suggestion menu malagasy moa anamamy fa ity ravimbomanga endasina sy akoho fa mitovy ihany ny fanaovana azy.
Isan’ny olona: 4
Fotoana ikarakarana azy: 10 mn
Fotoana iketrehana azy : 20 mn
Akora ilaina
- Huile,
- Brède (ravimbomanga na anamamy),
- ail, sel, poivre,
- poulet.
Fikarakarana ravimbomanga endasina sy akoho
- Afanaina mamay tsara ny menaka, arotsaka ny anana, atao mahery be ny afo.
- Arotsaka ny ail voatoto tsara sy ny sel, tsy saromana mihitsy. Vao hita fa mifitsaka ny anana dia esrorina. Rehefa mahery ny afo tsy mitera-drano ny anana.
- Ny akoho asiana sel sy poivre dia endasina mendy.

Fanamarihana
- Atao betsaka ny anana fa mifintina be.
- Afaka asiana sauce d’huitre kely koa.
Mazotoa!
© Rova Andriantsoa