Crepe au porc et au fromage à la sauce béchamel.
Isan’ny olona: 6
Fotoana ikarakarana azy: 20 mn
Fotoana iketrehana azy: 40 mn
Akora ilaina
- 250g nofo-kisoa voatetika madinika nasiana sel
- sucre kely
- poivre
- huile 1 càs
- fromage dur voatetika en petits dés
- 3 gros oignons voatetika madinika
Fikarakarana Crepe au porc et au fromage à la sauce béchamel
- Endakendasina ny nofo-kisoa efa nasiana sel, sucre, poivre, huile. Rehefa ritra tsara arotsaka ny oignons dia avela ho masaka fa avela ho croquants.
- Avela hangatsiaka ny hena voaendy dia afangaro ao ny fromage.
- Asiana 1 càs de farce isaky ny crêpe.
- Rouler-na toy ny nem ny crêpes misy farce tsy hivoraka.

© Rova Andriantsoa
Jereo ihany koa
Crêpes au poulet à la sauce bechamel