Recette saosety sy atody (recette de chayottes aux oeufs brouillés). Maivamaivana sy tsotsotra indray nefa azo atao laoka tsara.
Isan’ny olona: 4
Fotoana ikarakarana azy: 10 mn
Fotoana iketrehana azy : 30 mn
Akora ilaina
- chayottes,
- huile, sel,
- oignon, ail, poivre,
- oeufs.
Fikarakarana saosety sy atody
- Zaraina 2 amin’ny halavany ny saosety dia lomana rano mangatsiaka 5 mn hialan’ny ditiny izay vao voasana ary tetehina lavalava fisapisaka.
- Afanaina ny menaka kely fotsiny, arotsaka ny saosety sy sel dia saromana hitera-drano kely ho masamasaka.
- Arotsaka ny oignon sy ail ary poivre dia endakendasina.
- Arotsaka ny atody voakapoka dia aroina hitambaingambaingana.

Mazotoa homana!
© Rova Andriantsoa