Ito ilay terrine de poulet, tsotra dia tsotra ny fanaovana azy.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 65 mn
Fotoana hikarakarana azy: 10 mn
Sommaire
Akora Ilaina
- 500g nofon’akoho,
- 8 oeufs,
- sel, poivre, huile,
- crême fraîche,
- légumes.

Fomba fikarakarana terrine de poulet
- Miaraka mixer-na ny 500g nofon akoho sy sel sy poivre sy 4 oeufs. Afaka asiana creme fraiche raha tiana.
- Osorana huile ny moule à cake, arotsaka ny atsasaky ny fangaro (afaka asiana legumes masaka kely), alahatra 4 oeufs durs ary arotsaka ny ambina fangaro.
- Saromana papier film ary atao cuisson au bain marie mandritra ny adiny 1h.
- Tsatohana amin’ny antsy ka rehefa tsy misy manaraka dia masaka zay. Avela hangatsiaka vao demouler-na ary ampidirina ao anaty frigo mandritra ny adiny 2h.
Fanamarihana

- Raha asiana légumes toy ny courgettes dia atao en dés.
- Rehefa mixés ny fangaro dia afangaro aminy ny legumes efa no-sauter-na kely.
- Raha asiana crême fraîche épaisse dia 2 cas ny fatrany.
- Nofon’akoho manta no mixéna teto, fa azo soloina nofona voritsiloza ihany koa anefa fa saingy atao maharitra kokoa ny cuisson.
Mazotoa homana!
© Rova Andriantsoa.