Avy nandeha nanjono androany dia nahazo tilapia maromaro ka tonga dia natao laoka avy hatrany nampiarahina amin’ny saosety. Ka indro ary ny recette tilapia sy saosety (tilapia aux cristophines ) .
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 10 mn
Akora Ilaina
- trondro tilapia,
- tomates, oignon;
- saosety (chayotte, chouchoute, chouchou, cristophine);
- ail, sel, poivre;
- rano.

Fomba fikarakarana tilapia sy saosety
Manao sauce tomate sy oignon.

Arotsaka ny saosety, rarahana ail sy sel ary poivre kely.

Apetraka ambony saosety ny trondro, rarahana sel sy poivre kely indray.

Asiana rano 2 verres dia saromana ary avela hiketrika.

Fanamarihana
- Tsy aroina mihitsy fa ny vilany no ahetsiketsika matetika mba tsy hiraikitra.
- Tsy ataoko ritra be fa avela hisy sauce.
- NY tongolo lay (ail) eto dia azo potserina na tetehina fotsiny.
Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.