Laoka mety atao tsara amin’izao andro fahavaratra izao: Tsock Mixte na koa tchok mixte.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 4h
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Akora Ilaina
- Vary,
- Akoho,
- Patsa be
- Sakamalao, sira, menaka,
- Salade na zava-maintso,
- Boulettes chinoises, atody (facultatif).

Fomba fikarakarana Tsock mixte

- Lomana rano mandifotra azy ny menaka kely. Andrahoina adiny 4h ny vary na latsaka raha maika.
- Tenehina ny akoho sy lohana patsa be sy sakamalao ary sira. Esorina anaty bouillon ireo. Silasilahana ny nofon akoho dia atokana.
- Andrahoina anaty bouillon ny vary (mixer-na raha ela vao potika). Arotsaka ny vatana patsa be sy nofon akoho, avela hitanika, 10mn.
- Rehefa aroso dia arotsaka ny salade voatetika na zava-maitso sy boulettes chinoises raha misy.

Fanamarihana
- Azo ampiarahina amin’ny tsa-tsiou.
- Azo tsy asiana hena ihany koa anefa.
- Patsa be izany dia crevettes d eau douce semi-séchées. Mba azoazo ny vidiny: 1000ar ny 1 kapoaka. Crevettes de mer congelées: 38 000ar ny kg congelé. Crevettes de Madagascar en France: 33€ /kg.

Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.