Salade et Tourte aux Courgettes
Isan’ny olona: 5
Fotoana ikarakarana azy : 60 mn
Fotoana iketrehana azy : 40 mn
Salade et Tourte aux Courgettes
Akora ilaina
- Courgettes,
- Totokena,
- 250g de farine,
- 125g de beurre,
- sel,
- sucre,
- huile,
- 1 oeuf,
- 25cl d’eau
Fikarakarana pâte brisée
Pâte brisée (afaka atao fond pour tarte sucrée ihany koa): atao anaty cul de poule ny farine 250g dia lavahana eo afovoany.Apetraka eo ny 125g beurre malemy , asiana 1/2 cuillère à soupe de sel + 1cuillère à soupe de sucre et 1 jaune d’oeuf. Afangaro ireo ary afangaro ao koa ny farine sy 25cl d’eau tiède raha maina loatra.
Fraiser la pâte: izany hoe rehefa mitambatra ny ingrédients rehetra dia atosika amin’ny tanana toy izao aminy sary izao mandra-pahazo pâte homogène sy souple fotsiny. Tsy mila travailler-na ela.
Zaraina 2 ny pâte ka ny iray atao lehibe kokoa ary ny iray kely kokoa dia samy fisahana tsy manify loatra.
Fikarakarana Salade et Tourte aux Courgettes
Atao anaty moule na plat à gratin miosotra beurre na huile ny pâte lehibe,atao mahazo tsara ny sisiny. Apetraka ny atsasaka courgette somary nendasina miaraka amin ny sel sy thym kely .
Apetraka eo ambony courgette indray ny toton-kena voaendy.
Avy eo dia apetraka eo ambony toton-kena ny ambina courgette.
Saromana tsara amin’ilay pâte kelikely ny excédent de pâte. Fisahana tsara dia anaovana motifs pour décoration. Osorana jaune d’oeuf.
Atao anaty vilany gasy maina tsy misy fasika ny moule na plat misy ny nahandro.
Apetraka eo ambony fatapera misy afo malefaka ny vilany. Saromana sarom-bilany mivadika misy afo maherihery eo amboniny. Avela mandritry ny 40mn. Raha atao au four dia 180° na thermostat 6 pendant 40mn.
Toy izao izy rehefa masaka. Mila gérer-na tsara ny afo.
Mazotoa homana!