Fifaninanana hidirana ho mpianatra zandary 2019 đź
- 1200 isa no ilaina,
- Zatovolahy (20-30 taona, 1m68 farafahakeliny), zatovovavy (20-28 taona, 1m63 farafahakeliny),
- Datin’ny fifaninana: 23 sy 24 novambra 2019,
- Daty fara-fanaterana ny atontan-taratasy: 23 oktobra 2019
Fanazavana feno momba ny fifaninanana hidirana ho mpianatra zandary
Fifaninanana hidirana ho mpianatra zandary andiany faha 75 taona 2019-2020.
Ny dingana voalohany dia hatao ny 23 sy 24 novembra 2019 manomboka aminâny 08 ora 30 minitra maraina eny anivonâny faritra misy vondro-tobim-pileovanâny zandarimariam-pirenena manerana ny nosy. Misokatra ho anâny zatovolahy sy zatovovavy, isany 1200:
- 825 no alaina aminâny mpiadina sivily lahy;
- 120 ho anâny vavy;
- 100 miaramila amperinasa na miaramila teo aloha nahavita fonopoam-perenena;
- 75 ho anâny kamboty sy vady navelanâireo zandary maty nandritra ny fanatanterahana ny asa voabaiko;
- 80 ho anâny mpiadina manana fahaizana manokana ka 10 mahakasika informatika sy fifandraisan-davitra â 40 mahakasika ny familiana sy ny fikojakojana fiarakodia â 10 manana traikefa manokana aminâny fanatanjahantena â 20 mpanao tao-trano ka 05 plombiers – 05 mahakasika ny teknikany fampangatsiahana (froids), 05 mpanao trano ary 05 mpanao asa momba ny vy.
Ny fanoratana anarana sy fametrahana antotan-taratasy dia misokatra eny anivonâny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena (brigade) manerana ny nosy manomboka ny 23 aogositra 19 ka hatraminâny 23 oktobra 19 aminâny 05 ora hariva.
Fepetra
Fepetra iombonanâny mpiadina mizaka zom-pirenena malagasy
- salama ara-batana sy ara-tsaina izay voamarinâny mpitsabo miaramila na mpitsabo miasa aminâny tobim-pahasalamam-panjakana ho anâireo lavitry ny toeram-pitsaboana miaramila ,
- tsy manana olana ara-pahitana , fitondrana solomaso fanitsiana fijery dia tsy ekena ,
- tsara fitondran-tena eo aminâny fiaraha-monina ,
- manana mari-pahaizana bacc na mitovy lenta aminâizany.
Fepetra ho anâny mpiadina lehilahy
- 20 taona raha kely indrindra, teraka talohanâny 31 desambra 1999;
- 30 taona ny lehibe indrindra, teraka taorianâny 01 janoary 1989;
- Ho anâny miaramila amperinasa na miaramila teo aloha nahavita fanompoam-pirenena dia azo ahemotra hatraminâny 34 taona , teraka taorianâny 31 janoary 1985, taona iray isaky ny fanompoam-pirenena vita izany fanemorana izany;
- Mirefy 1,68 m raha kely indrindra aminâny tongotra tsy mikiraro;
- Tsy misy fangatahana manokana azo atao na aminâny taona na aminâny refy.
Fepetra ho anâny mpiadina vehivavy
- 20 taona raha kely indrindra, 28 taona ny lehibe indrindra, teraka teo anelanelanâny 01 janoary 1991 ka hatraminâny 31 desambra 1999,
- Mirefy 1,63 m raha fohy indrindra aminâny tongotra tsy mikiraro,
- Tsy bevohoka,
- Ho anâireo efa niteraka , ny fiterahana farany dia iray (01) taona alohanâny fidirana ao amin’ny sekoly no azo ekena,
- Tsy misy fangatahana manokana azo atao na aminâny taona na aminâny refy.
Antotan-taratasy ilaina
Ho anâny mpiadina rehetra
- Fangatahana an-tsoratra alefa amin’andriamatoa sekreteram-panjakana eo anivonâny minisiteranâny fiarovam-pirenena miadidy ny zandarimaria, marihina ao anatin’io fangatahana io ny toerana hanaovana fanadinana (renivohitry ny faritra) sy ny sokajy misy ny mpiadina;
- Kopia sora-piankohonana latsaky ny iray taona,
- Dika mitovy ary voamarina ny mari-pahaizana bacc – na ny mitovy lenta aminy izay aseho eo am-pananterana ny antotan-taratasy ary averina amin’ny tompony ihany rehefa vita ny fanamarinana,
- Fanamarinam-pahasalamana milaza fahasalamana sy halavana avy aminâny mpitsabo miaramila na mpitsabo sivily miasa amin’ny tobim-pahasalamam-panjakana ho an’ireo lavitry ny toeram-pitsaboana miaramila,
- 01 taratasy fitanisan-tsazy n°3 latsaky ny telo volana,
- Tapakila manamarina fandoavana saram-pifaninanana mitentina dimy arivo sy roa alina ariary (ar 25.000) izay arotsaka ao amin’ny kaonty BOA laharana : 00009 05035 11881880001 35 amin’ny anaran’ny direction de la gestion du personnel gendarmerie nationale toby ratsimandrava,
- Takelam-pisoratan’anarana ka apetraka ao anatiny ny sokajim-pifaninanana misy ny mpiadina, fenoina ao amin’ny biraon’ny tobim-paritry ny zandarimaria hanaterana ny antotan-taratasy io takelam-pisoratan’anarana io ary soniavin’ny mpiadina, hamarinin’ny lehiben’ny tobim-paritra sy ny vondro-tobim-paritra, dika mitovy voamarina ny karam-panondrom-pirenena,
- Fanamarinam-ponenana latsaky ny 03 volana,
- Sary tapaka mitovy efatra,
- Valopy 02 misy hajia diman-jato (500) ariary sy adiresy mazava ary ny laharana finday ahafahana mifandray aminâny mpiadina.
Antotan-taratasy fanampiny
Ho anâny mpiadina vehivavy
Taratasy manamarina ny tsy maha-bevohoka latsaky ny 15 andro ny andro nametrahana ny antotan-taratasy.
Ho anâny miaramila amperinasa sy miaramila teo aloha nahavita fanompoam-pirenena
- Etat signalétique et des services sy filazana mikasika naoty sy sazy;
- fangatahana misy ny hevitr’ireo lehibeny isan’ambaratongany ho an’ireo mbola am-perin’asa;
- fanamarinam-pitondran-tena ho anâny miaramila teo aloha.
Ho an’ireo kamboty
- Fanamarinam-pahafatesana sy etat signaletique et des services an’ny ray na reny niteraka,
- Tatitra avy amin’ny lehibeny farany mahakasika ny nahafatesany;
Ho an’ireo vady navela
- Fanamarinam-pisoratam-panambadiana tamin’ilay zandary maty,
- Fanamarinam-pahafatesana sy etat signaletique et des services an’io zandary maty io,
- Tatitra mahakasika ny nahafatesany.
Ho anâny mpiadina manana fahaizana manokana (spĂ©cialistes)
Dika mitovy ary voamarina ny mari-pahaizana na ny mitovy lenta aminy izay aseho eo am-panaterana ny antotan-taratasy ary averina amin’ny tompony ihany rehefa vita ny fanamarinana.
Tadidio
- Ny antotan-taratasy tsy feno na tara dia tsy azo raisina mihintsy.
- Ny hosoka sy ny fampiasana hosoka mandritra ny fisoratana anarana aminâny fifaninanana dia azo anenjehana ny mpiadina ara-pitsipipifehezana ara-miaramila izany na ara-pitsarana ary lavina avy hatrany ny fangatahany,
- Tsy azo ekena intsony ny fifindrana toeram-pifaninanana aorianâny fe-potoana fisoratana anarana.
Fizotry ny fifaninanana
Dingana voalohany
Ny fiantsoana anarana dia tsy maintsy atao ora iray mialoha isaky ny fanombohan’ny taranja iray.
Andro voalohany:
- Maraina aminâny 08 ora 30 minitra, ho an’ny mpiadina rehetra, malagasy (famakafakan-kevitra – fomba malagasy – fitsipi-pitenenanana) (lanjan’isa 01), faharetany ora 03 sy sasany,
- Hariva aminâny 02 ora, ho an’ny mpiadina ankapobeny, matematika (lanjanâisa 01), faharetany ora 02 sy 15 minitra. Ho an’ny mpiadina manana fahaizana manokana : ny taranja mifanandrify aminâny fahaizana manokana (lanjanâisa 01), faharetany ora 02 sy 15 minitra.
Andro faharoa
Maraina aminâny 08 ora, ho an’ny mpiadina rehetra : frantsay : famakafakan-kevitra – voambolana â fitsipika (lanjanâisa 02), faharetany ora 04.
Ny laza adina malagasy sy frantsay dia kilasy famaranana sokajy C. Ny laza adina matematika kosa dia kilasy famaranana sokajy A.
Dingana faharoa
Atao any amin’ny sekolin’ny zandarimariam-pirenena any ambositra amin’ny andro sy ora ampahafatarina manaraka ny dingana faharoa.
Ireto avy no hanadinana amin’izany :
- Test psychotechnique (lanjan’isa 01);
- Fahalalana ankapobeny ho anâny mpiadina ankapobeny, (lanjanâisa 02);
- Fampiharana ho anâny mpiadina manana fahaizana manokana, (lanjanâisa 02);
- Fanatanjahantena (lanjanâisa 02) ka 100 metatra ho an’ny rehetra – 1000 metatra ho an’ny lehilahy ary 800 metatra ho an’ny vehivavy.
Fanamarihana
- Ireo mpiadina niatrika sy nahomby tamin’ny dingana voalohany no lazaina fa afaka amin’izany dingana izany.
- 1560 no isan’ny ho afahana amin’ny dingana voalohany, izany hoe ampitomboana 1,3 amin’ny isa ho raisina, ka mitsinjara toy izao : 1072 no alaina aminâny mpiadina sivily lahy, 156 ho anâny mpiadina vavy, 130 ho an’ny mpiadina miaramila na miaramila taloha, 98 ho an’ireo kamboty sy vady navelanâireo zandary maty noho ny fanatanterahana ny asa voabaiko, 104 ho anâny mpiadina manana fahaizana manokana.
- Ny taranja tsirairay dia mahazo naoty 00 hatramin’ny 20, ny naoty latsaky ny 07/20 amin’ny taranja iray dia mampihintsana amin’ny fifaninanana.
- Ny mpiadina rehetra dia alahatra araky ny salan’isa azony ary ny vokatry ny fifaninanana dia atao peta-drindrina ho hitan’ny be sy ny maro.
- Ny fahafahana tanteraka aminâ ny fifaninanana dia miankina amin’ny fahavitan’ny fizahana ara-pahasalamana sy ireo fitsapam-pahaizana izay ilaina any aminâny sekoly.
- Ny mpiadina tsirairay no miantoka ny fandaniana laniny rehetra mandritry ny fandraisany anjara amin’ny fifaninanana, izy ireo ihany koa no miantoka ny saran-dalany mankany amin’ny sekoly zandarimaria ambositra sy miverina raha toa ka tsy afaka amin’ny dingana faharoa, toy izany koa ireo mody noho ny antony ara-pahasalamana,
- Ho anâireo mpifaninana tsy voaray ho mpianatra ho zandary noho ny antony hafa kosa dia averina aminy ny 20 000 (roalina) ariary taminâny saram-pisoratana anarana.
- Raha misy fihemorana na fialana noho ny antony maro ho an’ireo mpiadina afaka tanteraka dia miakatra avy hatrany ny lisitra fiandry, izany fanoloana izany dia voafetra ho 30 andro manomboka amin’ny datin’ny fiofanana. Rehefa dila io fe-potoana io dia tsy azo atao intsony io fanoloana io ary lany andro tanteraka ilay lisitra fiandry. Marihina fa io lisitra fiandry io dia avoaka miaraka amin’ny famoahana ny valim-pifaninanana saingy tsy azo atao peta-drindrina ho fiarovana ireo mpiadina afaka.
- Ireo mpianatra zandary efa nanomboka ny fiofanany nandritry ny telompolo andro dia tsy afaka mandray anjara aminâny fifaninanana handraisana mpiasam-panjakana hafa intsony.
- Ireo mpianatra zandary miala an-tsitrapo aorianâ ny 30 andro niatombohan’ny fiofanana dia mandoa vola 10 000 (iray alina) ariary isan’andro any amin’ny tahirim-bolam-panjakana ho solonâ ny fandaniany rehetra tao amin’ny sekoly.
ManantĂČna toby zandarimaria akaiky anao indrindra raha misy fanontaniana.
Jereo ihany koa
Concours ACMIL ANTSIRABE : recrutement de 72 Ă©lĂšves officiers dâacadĂ©mie militaire Antsirabe