Fifaninanana hidirana ho mpianatra zandary 2019

Fifaninanana hidirana ho mpianatra zandary 2019 👼

  • 1200 isa no ilaina,
  • Zatovolahy (20-30 taona, 1m68 farafahakeliny), zatovovavy (20-28 taona, 1m63 farafahakeliny),
  • Datin’ny fifaninana: 23 sy 24 novambra 2019,
  • Daty fara-fanaterana ny atontan-taratasy: 23 oktobra 2019

Fanazavana feno momba ny fifaninanana hidirana ho mpianatra zandary

Fifaninanana hidirana ho mpianatra zandary andiany faha 75 taona 2019-2020.

Ny dingana voalohany dia hatao ny 23 sy 24 novembra 2019 manomboka amin’ny 08 ora 30 minitra maraina eny anivon’ny faritra misy vondro-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena manerana ny nosy. Misokatra ho an’ny zatovolahy sy zatovovavy, isany 1200:

  • 825 no alaina amin’ny mpiadina sivily lahy;
  • 120 ho an’ny vavy;
  • 100 miaramila amperinasa na miaramila teo aloha nahavita fonopoam-perenena;
  • 75 ho an’ny kamboty sy vady navelan’ireo zandary maty nandritra ny fanatanterahana ny asa voabaiko;
  • 80 ho an’ny mpiadina manana fahaizana manokana ka 10 mahakasika informatika sy fifandraisan-davitra – 40 mahakasika ny familiana sy ny fikojakojana fiarakodia – 10 manana traikefa manokana amin’ny fanatanjahantena – 20 mpanao tao-trano ka 05 plombiers – 05 mahakasika ny teknikany fampangatsiahana (froids), 05 mpanao trano ary 05 mpanao asa momba ny vy.

Ny fanoratana anarana sy fametrahana antotan-taratasy dia misokatra eny anivon’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena (brigade) manerana ny nosy manomboka ny 23 aogositra 19 ka hatramin’ny 23 oktobra 19 amin’ny 05 ora hariva.

Fepetra

Fepetra iombonan’ny mpiadina mizaka zom-pirenena malagasy

  • salama ara-batana sy ara-tsaina izay voamarin’ny mpitsabo miaramila na mpitsabo miasa amin’ny tobim-pahasalamam-panjakana ho an’ireo lavitry ny toeram-pitsaboana miaramila ,
  • tsy manana olana ara-pahitana , fitondrana solomaso fanitsiana fijery dia tsy ekena ,
  • tsara fitondran-tena eo amin’ny fiaraha-monina ,
  • manana mari-pahaizana bacc na mitovy lenta amin’izany.

Fepetra ho an’ny mpiadina lehilahy

  • 20 taona raha kely indrindra, teraka talohan’ny 31 desambra 1999;
  • 30 taona ny lehibe indrindra, teraka taorian’ny 01 janoary 1989;
  • Ho an’ny miaramila amperinasa na miaramila teo aloha nahavita fanompoam-pirenena dia azo ahemotra hatramin’ny 34 taona , teraka taorian’ny 31 janoary 1985, taona iray isaky ny fanompoam-pirenena vita izany fanemorana izany;
  • Mirefy 1,68 m raha kely indrindra amin’ny tongotra tsy mikiraro;
  • Tsy misy fangatahana manokana azo atao na amin’ny taona na amin’ny refy.

Fepetra ho an’ny mpiadina vehivavy

  • 20 taona raha kely indrindra, 28 taona ny lehibe indrindra, teraka teo anelanelan’ny 01 janoary 1991 ka hatramin‘ny 31 desambra 1999,
  • Mirefy 1,63 m raha fohy indrindra amin’ny tongotra tsy mikiraro,
  • Tsy bevohoka,
  • Ho an‘ireo efa niteraka , ny fiterahana farany dia iray (01) taona alohan‘ny fidirana ao amin’ny sekoly no azo ekena,
  • Tsy misy fangatahana manokana azo atao na amin’ny taona na amin’ny refy.

Antotan-taratasy ilaina

Ho an’ny mpiadina rehetra

  • Fangatahana an-tsoratra alefa amin’andriamatoa sekreteram-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena miadidy ny zandarimaria, marihina ao anatin’io fangatahana io ny toerana hanaovana fanadinana (renivohitry ny faritra) sy ny sokajy misy ny mpiadina;
  • Kopia sora-piankohonana latsaky ny iray taona,
  • Dika mitovy ary voamarina ny mari-pahaizana bacc – na ny mitovy lenta aminy izay aseho eo am-pananterana ny antotan-taratasy ary averina amin’ny tompony ihany rehefa vita ny fanamarinana,
  • Fanamarinam-pahasalamana milaza fahasalamana sy halavana avy amin’ny mpitsabo miaramila na mpitsabo sivily miasa amin’ny tobim-pahasalamam-panjakana ho an’ireo lavitry ny toeram-pitsaboana miaramila,
  • 01 taratasy fitanisan-tsazy n°3 latsaky ny telo volana,
  • Tapakila manamarina fandoavana saram-pifaninanana mitentina dimy arivo sy roa alina ariary (ar 25.000) izay arotsaka ao amin’ny kaonty BOA laharana : 00009 05035 11881880001 35 amin’ny anaran’ny direction de la gestion du personnel gendarmerie nationale toby ratsimandrava,
  • Takelam-pisoratan’anarana ka apetraka ao anatiny ny sokajim-pifaninanana misy ny mpiadina, fenoina ao amin’ny biraon’ny tobim-paritry ny zandarimaria hanaterana ny antotan-taratasy io takelam-pisoratan’anarana io ary soniavin’ny mpiadina, hamarinin’ny lehiben’ny tobim-paritra sy ny vondro-tobim-paritra, dika mitovy voamarina ny karam-panondrom-pirenena,
  • Fanamarinam-ponenana latsaky ny 03 volana,
  • Sary tapaka mitovy efatra,
  • Valopy 02 misy hajia diman-jato (500) ariary sy adiresy mazava ary ny laharana finday ahafahana mifandray amin‘ny mpiadina.

Antotan-taratasy fanampiny

Ho an’ny mpiadina vehivavy

Taratasy manamarina ny tsy maha-bevohoka latsaky ny 15 andro ny andro nametrahana ny antotan-taratasy.

Ho an’ny miaramila amperinasa sy miaramila teo aloha nahavita fanompoam-pirenena

  • Etat signalĂ©tique et des services sy filazana mikasika naoty sy sazy;
  • fangatahana misy ny hevitr’ireo lehibeny isan’ambaratongany ho an’ireo mbola am-perin’asa;
  • fanamarinam-pitondran-tena ho an’ny miaramila teo aloha.

Ho an’ireo kamboty

  • Fanamarinam-pahafatesana sy etat signaletique et des services an’ny ray na reny niteraka,
  • Tatitra avy amin’ny lehibeny farany mahakasika ny nahafatesany;

Ho an’ireo vady navela

  • Fanamarinam-pisoratam-panambadiana tamin’ilay zandary maty,
  • Fanamarinam-pahafatesana sy etat signaletique et des services an’io zandary maty io,
  • Tatitra mahakasika ny nahafatesany.

Ho an’ny mpiadina manana fahaizana manokana (spĂ©cialistes)

Dika mitovy ary voamarina ny mari-pahaizana na ny mitovy lenta aminy izay aseho eo am-panaterana ny antotan-taratasy ary averina amin’ny tompony ihany rehefa vita ny fanamarinana.

Tadidio

  • Ny antotan-taratasy tsy feno na tara dia tsy azo raisina mihintsy.
  • Ny hosoka sy ny fampiasana hosoka mandritra ny fisoratana anarana amin’ny fifaninanana dia azo anenjehana ny mpiadina ara-pitsipipifehezana ara-miaramila izany na ara-pitsarana ary lavina avy hatrany ny fangatahany,
  • Tsy azo ekena intsony ny fifindrana toeram-pifaninanana aorian’ny fe-potoana fisoratana anarana.

Fizotry ny fifaninanana

Dingana voalohany

Ny fiantsoana anarana dia tsy maintsy atao ora iray mialoha isaky ny fanombohan’ny taranja iray.

Andro voalohany:

  • Maraina amin’ny 08 ora 30 minitra, ho an’ny mpiadina rehetra, malagasy (famakafakan-kevitra – fomba malagasy – fitsipi-pitenenanana) (lanjan’isa 01), faharetany ora 03 sy sasany,
  • Hariva amin’ny 02 ora, ho an’ny mpiadina ankapobeny, matematika (lanjan’isa 01), faharetany ora 02 sy 15 minitra. Ho an’ny mpiadina manana fahaizana manokana : ny taranja mifanandrify amin’ny fahaizana manokana (lanjan’isa 01), faharetany ora 02 sy 15 minitra.

Andro faharoa

Maraina amin’ny 08 ora, ho an’ny mpiadina rehetra : frantsay : famakafakan-kevitra – voambolana – fitsipika (lanjan’isa 02), faharetany ora 04.

Ny laza adina malagasy sy frantsay dia kilasy famaranana sokajy C. Ny laza adina matematika kosa dia kilasy famaranana sokajy A.

Dingana faharoa

Atao any amin’ny sekolin’ny zandarimariam-pirenena any ambositra amin’ny andro sy ora ampahafatarina manaraka ny dingana faharoa.

Ireto avy no hanadinana amin’izany :

  • Test psychotechnique (lanjan’isa 01);
  • Fahalalana ankapobeny ho an’ny mpiadina ankapobeny, (lanjan’isa 02);
  • Fampiharana ho an’ny mpiadina manana fahaizana manokana, (lanjan’isa 02);
  • Fanatanjahantena (lanjan’isa 02) ka 100 metatra ho an’ny rehetra – 1000 metatra ho an’ny lehilahy ary 800 metatra ho an’ny vehivavy.

Fanamarihana

  • Ireo mpiadina niatrika sy nahomby tamin’ny dingana voalohany no lazaina fa afaka amin’izany dingana izany.
  • 1560 no isan’ny ho afahana amin’ny dingana voalohany, izany hoe ampitomboana 1,3 amin’ny isa ho raisina, ka mitsinjara toy izao : 1072 no alaina amin’ny mpiadina sivily lahy, 156 ho an’ny mpiadina vavy, 130 ho an’ny mpiadina miaramila na miaramila taloha, 98 ho an’ireo kamboty sy vady navelan’ireo zandary maty noho ny fanatanterahana ny asa voabaiko, 104 ho an’ny mpiadina manana fahaizana manokana.
  • Ny taranja tsirairay dia mahazo naoty 00 hatramin’ny 20, ny naoty latsaky ny 07/20 amin’ny taranja iray dia mampihintsana amin’ny fifaninanana.
  • Ny mpiadina rehetra dia alahatra araky ny salan’isa azony ary ny vokatry ny fifaninanana dia atao peta-drindrina ho hitan’ny be sy ny maro.
  • Ny fahafahana tanteraka amin‘ ny fifaninanana dia miankina amin’ny fahavitan’ny fizahana ara-pahasalamana sy ireo fitsapam-pahaizana izay ilaina any amin’ny sekoly.
  • Ny mpiadina tsirairay no miantoka ny fandaniana laniny rehetra mandritry ny fandraisany anjara amin’ny fifaninanana, izy ireo ihany koa no miantoka ny saran-dalany mankany amin’ny sekoly zandarimaria ambositra sy miverina raha toa ka tsy afaka amin’ny dingana faharoa, toy izany koa ireo mody noho ny antony ara-pahasalamana,
  • Ho an‘ireo mpifaninana tsy voaray ho mpianatra ho zandary noho ny antony hafa kosa dia averina aminy ny 20 000 (roalina) ariary tamin’ny saram-pisoratana anarana.
  • Raha misy fihemorana na fialana noho ny antony maro ho an’ireo mpiadina afaka tanteraka dia miakatra avy hatrany ny lisitra fiandry, izany fanoloana izany dia voafetra ho 30 andro manomboka amin’ny datin’ny fiofanana. Rehefa dila io fe-potoana io dia tsy azo atao intsony io fanoloana io ary lany andro tanteraka ilay lisitra fiandry. Marihina fa io lisitra fiandry io dia avoaka miaraka amin’ny famoahana ny valim-pifaninanana saingy tsy azo atao peta-drindrina ho fiarovana ireo mpiadina afaka.
  • Ireo mpianatra zandary efa nanomboka ny fiofanany nandritry ny telompolo andro dia tsy afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana handraisana mpiasam-panjakana hafa intsony.
  • Ireo mpianatra zandary miala an-tsitrapo aorian‘ ny 30 andro niatombohan’ny fiofanana dia mandoa vola 10 000 (iray alina) ariary isan’andro any amin’ny tahirim-bolam-panjakana ho solon‘ ny fandaniany rehetra tao amin’ny sekoly.
ManantĂČna toby zandarimaria akaiky anao indrindra raha misy fanontaniana.

 

Jereo ihany koa

Concours ACMIL ANTSIRABE : recrutement de 72 Ă©lĂšves officiers d’acadĂ©mie militaire Antsirabe

Veuillez noter l'article :

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *