Aventure Grand Sud Madagascar

Salama e ! Te hizara fotsiny izany hoe Aventure Grand Sud Madagascar izany…

Aventure Grand Sud Madagascar : le départ : Tanà-Fianar

Niala tao Tanà tam samedi 17 août zahay mivady miaraka am zanakay 2, 5h du matin. Nanao gasoil teo am Shell By pass, 235 000 Ar. Tsy nijanona raha tsy Antsirabe, nanao petit dej tam 7h30 tao am CroustiPain : 57 000 Ar.

Nandeha direct Fianarantsoa avy eo, tonga taty vers 14h30. Nivantana tao am Zomatel. Tao nisakafo atoandro nandany teo am 90 000 Ar teo. Naka suite 200 000 Ar. (Tsy hoe mizesta fa mizara fotsiny). Tao Fianar nandeha nijery tanana, tery am Masina Maria tery. Nihaino tantara, nijery tanana… Naka sary. Niala tao ny ampitso, tam 6 maraina dia direction Isalo.

Isalo

Tao Fianar izahay nanao replein 130 000 Ar.

Tonga tao vers 11h, nitady hôtel. Misy isankarazany ao, misy ny haut de gamme Jardin du Roy, 380 000 Ar ny suite, moyenne gamme 200 000 Ar ny familiale, dia ny abordable 48 000 Ar…

jardin du roy isalo
jardin du roy isalo

Ny nampalahelo ahy tao fotsiny dia ny fotopisainantsika Malagasy… refa vazaha dia mila ho lelafiny hatram tany andehanany fa raha gasy dia iavonana… Mais bon tsy olana satria nanohana ny foko ny tenin’ilay guide hoe fier be zahay mitondra anareo fianakaviana gasy mitsidika an’Isalo ! Hay misy Malagasy manao touristes koa fa tsy vazah foana! Tao izahay ny hariva naka aina aloha dia ny ampitso vao nandeha nanao circuit Park.

coucher du soleil à isalo
coucher du soleil à isalo

Nifoha dia nanontany tao am réception hoe inn no azo atao. Betsaka zany: équitation, via ferrata (mianika vato), mandeha Park. Nisafidy nandeh Park zahay. Niverina Ranohira satria any no misy ny début ny circuit no sady naka guide. Tao am MNP (Ndlr: Madagascar National Park) no nandoa vola : 2000 ar ny adulte dia 500 ar ny zaza. Avy eo hay tsy maintsy maka guide, sady misafidy circuit: nataononay ilay circuit 4km fa misy bdb koa ao. Ny guide moa zany 80 000 Ar ny 4h. Dia nandeha… mafimafy satria vatokely sy fiakarana isankarazany, izy 3 mianaka nazoto be fa zah tena valaka ihany a! Tonga tany am ilay piscine bleue (marivo dia manga ny lokony) sy ilay piscine noire (lalina be no sady ohatran’ny anaty grotte). Mbola zareo koa no nilomano nefa 10° ny rano fa zah tena reraka dia naleoko naka aina.
Saika adinoko, tsy maintsy manao kiraro feno, tennis sns vao mandeh park an! Tsy vita manao scoubidou.
Refa niverina zahay dia nisakafo tao am Park ihany efa nisy guide hafa nanomana sakafo satria efa natao commande. 45 000 ar par personne. Entrée plat dessert. Nanomboka tany am 10 tany ny circuit nay dia nifarana vers 15h.

Nody tam hotel hafa ndray fa hoe aleo mijery hafa. Tao am Isalo Ranch izahay, tsotra, tsy luxe nefa tsara azo ioriranana ilay toerana. Zah moa zany nanao massage 30 000 Ar fa valaka fa ny ankizy nilalao piscine.

Vers 16h30 nandeh tery am botte de l’Isalo. Olona bdb no teny angamba efa eo am 200 eo fa ny gasy aloha zany dia vitsy e. Raha nisy zahay teny 20 fotsiny. Fa tsara ilay site ary tena mahatsapa enao hoe kely sy bitika. Tsara loatra tsy azo am sary ilay fahatsarany, ny marina insaisissable fa aleo miaina ilay izy …
Nody nisakafo tao am Zebu Grill tao Ranohira izahay. Tsara sakafo zareo no sady mba mora. 12 000 ar ny plat. Nody natory….

Direction Tuléar

Niala tam 8 maraina tao Isalo, efa heno hoe vizaka ihany am lay voyage an! Nandalo Sakaraha tao no nanao petit dej tam 9, gaga be ny zanako fa misy mihinambary maina maraina, budget tao : 24 000 ar. Lasopy ny azy 3 mianaka moa nenah vary maina sy trondro sauce.
Tonga Tulear zahay tam 11h, nijery tanana aloha. Nandeha naka renseignement hoe andeh Anakao. Vedette 120 000 Ar / pers, aller-retour.

Anakao

Teto koa mbola sendra ny … racismes antsika samy gasy izahay satria refa nanao resaka tany Anakao ka miteny gasy dia hoe feno… dia rehefa miverina miantso am tel hafa dia miteny frantsay dia sady mahazo chambre vue sur mer enao no mahazo prix sns… Kivy be zah tam lay toetsaina. Avy eo moa zany dia ozy ny zanako hoe ndao hisakafo. Tao am La Bâtisse izahay no nisakafo. Tsara sakafo zareo. Tena voky nefa natsiro be…

Ifaty

Teo dia hoe andao ho any Ifaty sy Mangily no hatory. Tao am Ifaty Beach no naleha. 280 000 Ar ny chambre double 1, fa efa ao ny dîner sy peti dej.
Hay adinoko, ilay tany Anakao, 909 000Ar ny 3 nuitées. Chambre fotsiny io.
Rehefa nisakafo zahay dia gaga fa entrée plat dessert ilay diner, ary consistants daholo izy 3. Entrée sy dessert dia voky be. Teo nitaraina ny zanako hoe aleo eto tsika mijanona fa reraka be zahay. Dia naleo teo no nijery activités natao. Ny ampitso moa zany petit dej tao ihany. Avy eo nandeha nanontany activités : bouée tractée, sortie baleine, snorkeling, pic nic, visite forêt de baobab.

1er jour zahay nanao pic-nic, nandeha lakana dia nisakafo teny am plage. Langouste sauce avec crudités sy akondro ny sakafo. Teo no fantatray hoe soa ihany tsy nandeha Anakao fa rivotra be any dia ratsy be fa mahaditsoka. Ny sortie baleine moa zany tsy azo natao mintsy noho izay rivotra izay. Lany tam 1er jour am io activité io : 50 000 ar / personne compris lakana pirogue, déjeuner, huitres à gogo.

2ème jour nanao quad dia nandendeh tany am foret de Baobab. Iny no tena tiko fa heno be ilay hoe je suis libre. Sensation hafa mintsy ! Fa mampanetry tena koa anefa eo alohan’ny natiora. 3 quads : 450 000 Ar toute la journée.

3ème jour : nandeha nanao snorkeling izahay. A peu près 2 à 3km miala ny plage eo am 45 mn 1h eo eny ambony sambo sady mangatsiaka beeeee am lay rivotra. Nilomano 1h ny ankizy dia nody zahay.

PS : oui je sais lafo ilay budget nay kanefa efa izay mintsy no safidinay hoe refa vacances dia izay tiana no atao. Misaotra ny Tompo izahay fa nomeny fahafahana nanao izany.

Samedi teo zahay niala Tulear refa natory tao am Hyppocampo : 90€ ny chambre 1, tsara sakafo hono zareo fa zahay tsy tao no nisakafo. Etoile de mer, anisany tena hitako hoe tsara raha any. Ny hariva tellement voky no leo sakafombazah ozy ny zanako zay dia teo ampitan’ny poste zahay no nihinana maskita sy lasopy jarret ny hariva.

Hyppocampo
Hyppocampo

Eto tiko sarihana kely ny saintsika… Betsaka ny hotel na ny resto mora fa araka ny nolazaiko hoe nenay tena choix … ohatra zao tao mangily nisy hotel 45000 ar ny chambre fa tsy nety taminay satria sady anaty tanana no en plus… tsy mety e ! Ao Tulear moa zany dia betsaka ny 30 000 ar fa tena anaty kôtsakôtsà…

Aventure Grand Sud Madagascar : le retour : Fianara- Ranomafana

Niala tao zany zahay dia nandeh … Fianar natory tao am Zomatel. Sakafo la Petite Bouffe. Tsara sakafo koa tao, 57 000 Ar ny total lany tao. Soupe 3 jus 8, steak 1.
Niala dimanche maraina … direction Aiza ? Ranomafana. 1h de route après Fianar. Tao am Hotel Thermal izahay no nipetraka. Tsara be fa anaty ala. Ny zavatra nampiomehy dia ilay hoe izahay nanantena hoe ity piscine anaty hotel kay mbola miala 200m eo. Tao am piscine … 5000 Fmg ny entrée, oui 1000 Ar. Be olona be, tsy evident aloha zany satria … mahita zaza be lelo anaty rano enao, ny sasany be farora bava sns … tsy naharitra ela fa 30 mn dia nivoaka.
Naka aina no tena natao tany. Sakafo hariva moa zany dia natory.

Nody izahay androany maraina, 400 km dans les … pneus. Tao Ambositra no nisakafo, tany antanana… zah avy any manko. Kotoleta sy anandrano no sakafo. Mmmmhhh matsiro.
Tonga teto Tanà tam 8.
Izayyyy ! Vitaaaa !

Budget total? Tsy haiko mbola tsy ni compte zah. Fa ny hany hafatro dia izao, raha misy fahafahana ataovy izay tianao atao. Ny vola tsy hanaraka anao any ampasana. Ozy ny renibeko izay hoe tsy ahahatondra naky ariary miala eto. Ary aza adino ny moment ohatra anireny no tena antony hiasana mafy. Ny tsikinjanako, ny hafaliany, izany no moteur mahatonga anay hiasa mafy ary hanome azy ireo moments ohatran’izao.

Nitantara sy naka sary: Fianakaviana malagasy iray.

0 commentaire sur “Aventure Grand Sud Madagascar”

  1. Bonjour,

    J’ai vu dans votre récit que vous avez loué des quads à Tuléar avec un tarif très correct.
    Nous devons voyagé à Tuléar dans un mois et je suis à la recherche de quads à louer.

    Pouvez-vous svp me donner le nom de la société avec qui vous avez loué et si vous avez un contact ça serait vraiment sympa.

    Merci pour votre aide.

    Dans l’attente de votre retour.

    1. Bonjour David,

      Malheureusement, l’auteur de cet article a préféré rester anonyme (elle m’a dit de ne pas publier son nom sur le site). Je n’ai fait que publier l’article. Par contre Rent 501, une société de location de quad sur la cote-est peut vous aider. En fonction du budget, elle peut vous fournir un devis sur mesure, quelle que soit la destination où vous souhaiteriez aller : voici leur site : https://rent501-madagascar.com/.

      A bientôt.

  2. Salama, mety ka!!! na izany aza tena mampitsiriritra be ilay izy.
    efa mitentina eo amin’ny 5.000.000 Ar eo ho eo izany ny depense anareo miampy ny voandalana madinidinika sy ny imprevu sns….?
    Tena misy tokoa ny Gasy mpanambola a!
    hafatra kely fotsiny: rehefa mandeha ohatran’ireny dia aza adino ny mametraka fanontaniana ao anaty eritreritra hoe: <>

  3. Miarahaba Tompoko!

    Mahafinaritra mamaky ilay aventure no sady mazava tsara avokoa.
    Manana projet itety ny sud toa anareo koa izahay ka tena manampy be ilay aventure-nareo.
    Azo fantarina ve hoe firy taona ny ankizy? Ny zanako mantsy 7 taona sy 4 taona dia manontany tena aho hoe zakany zareo ve ilay rythme???
    Misaotra mialoha

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *