Brochettes de coeur de boeuf aux legumes

Recette Brochettes de coeur de boeufIty recette manaraka ity dia azo ampanandramana izay olona tsy tia fon’omby ao amin’ny fianakaviana. Ho hitanareo eo fa ianareo indray no tsy mihinana fa ho laniny daholo ireto brochettes de coeur de boeuf ireto.

Isan’ny olona: 4

Fotoana ikarakarana azy: 5 mn

Fotoana iketrehana azy: 15mn

 

Akora ilaina

 

  • Fon’omby 500g (coeur de boeuf)
  • tomate,
  • poivron,
  • ail,
  • gingembre,
  • sauce soja,
  • sel, poivre, huile, oignon
  • carottes.

 

Fikarakarana brochettes de coeur de boeuf aux legumes

Brochettes de coeur de boeuf aux legumes

Brochettes de coeur de boeuf aux legumes

  1. Esorina ny faritra matavy amin ‘ny fon’omby. Tetehina en « dé »  ny nofony, avy eo, lomana ail sy gingembre sy sauce soja sy sel sy poivre sy huile.
  2. Ampifanelanelanina eo amin ‘ny « pique a brochettes » ny fon’omby sy oignon sy poivron sy tomate dia atono amin ‘ny afo malefaka ho masaka tsara.
  3. Ny ambin’ ny legumes dia alona kely amin ‘ny marinade avy nandomana ny fon’omby dia atono amin’ny afo malefaka koa, tsy atao masaka be.

Mazotoa homana!

© Rova Andriantsoa