Sady recette ity manaraka ity no astuce mampalemy tsara ny atikena. Toy izany ihany koa ny fandrahoana voakena sy arikena.
Atikena
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy : 10 mn
Fotoana hiketrehana azy : 10 mn
Akora ilaina
- Ati-kena,
- menaka, sira, poivre, tongolo lay,
Fikarakarana atikena
- Voasana ny ati-kena, izany hoe esorina ilay hodiny manify ary tetehina fisaka.
- Afanaina tsy mamay be ny menaka dia arotsaka ny atikena.
- Rehefa hita masamasaka 3mn eo ny lafiny iray dia avadika ary avela ho masaka 3mn koa ny lafiny iray.
- Eo vao asiana sira, poivre, tongolo lay ary avela hiketrika 2mn.
Atikena saosy
Fanamarihana
- Mampalemy ny atikena koa ny fanasiana azy lafarinina kely alohan’ny anendasana azy.
- Ny ati-kena dia arakarak ny andrahona azy ela no mahamafy azy.
- Toy io recette io ihany koa ny fandrahoana voakena sy ny arikena.
Veuillez noter l'article :

Gaël Rakotovao, ingénieur d’études et d’exploitation puis diplômé de l’École Supérieure Polytechnique d’Antananarivo et actuellement CTO chez Mada Creative Agency, est également photographe passionné spécialisé dans les paysages, la culture et la cuisine malgache. Il cumule plus de 15 ans d’expérience en marketing digital, SEO, formation (SEO, photographie, crypto‑minage) et exerce aussi comme guide touristique certifié par le ministère du Tourisme autour de Madagascar.