Atikena recette et astuce

Sady recette ity manaraka ity no astuce mampalemy tsara ny atikena:

Isan’ny olona: 4

Fotoana ikarakarana azy: 10 mn

Fotoana iketrehana azy : 10 mn

Akora ilaina

 

  • Ati-kena,
  • huile, sel, poivre, ail,

 

Fikarakarana atikena

Voasana ny ati-kena, izany hoe esorina ilay hodiny manify ary tetehina fisaka.

Afanaina tsy mamay be ny menaka dia arotsaka ny atikena. Rehefa hita masamasaka 3mn eo ny lafiny iray dia avadika ary avela ho masaka 3mn koa ny lafiny iray.
Eo vao asiana sel sy poivre sy ail ary avela hiketrika 2mn.

 

Fanamarihana

 

  • Mampalemy ny atikena koa ny fanasiana azy lafarinina kely alohan’ny anendasana azy.
  • Ny ati-kena dia arakarak ny andrahona azy ela no mahamaf azy.
  • Toy io recette io ihany koa ny fandrahoana voakena sy ny arikena.

Mazotoa homana!

© Rova Andriantsoa .

Atikena sauce
Ati-kena sauce