Sakafo misy atody 5 afaka atao laoka – Tsy misy hena

Karazana sakafo malagasy tsotra 5 misy atody, tsy misy hena; afaka atao laoka.

Saosety sy atody

Maivamaivana sy tsotsotra indray nefa azo atao laoka tsara.

Isan’ny olona: 4

Fotoana ikarakarana azy: 10 mn

Fotoana iketrehana azy : 30 mn

Akora ilaina

  • Saosety ,
  • menaka, sira
  • tongolo, ail, poivre,
  • Atody.
Saosety sy atody
Saosety sy atody

Fikarakarana

  1. Zaraina 2 amin’ny halavany ny saosety dia lomana rano mangatsiaka 5 mn hialan’ny ditiny izay vao voasana ary tetehina lavalava fisapisaka.
  2. Afanaina ny menaka kely fotsiny, arotsaka ny saosety sy sel dia saromana hitera-drano kely ho masamasaka.
  3. Arotsaka ny oignon sy ail ary poivre dia endakendasina.
  4. Arotsaka ny atody voakapoka dia aroina hitambaingambaingana.

 

Anandrano sy atody

Laoka tsotra mety tsara ho an’ireo mifady hena sy voatabia : anandrano sy atody.

Isan’ny olona: 4

Fotoana ikarakarana azy : 10 mn

Fotoana iketrehana azy : 10 mn

Akora ilaina

  • Anandrano
  • atody,
  • menaka, tongolo, sira, ail,

    Anandrano sy atody
    Anandrano sy atody

Fikarakarana

  1. Rehefa voadio tsara ny anandrano dia tsihifina tsara.
  2. Afanaina mamay tsara ny menaka dia arotsaka ny anana. Tsy saromana ary atao mahery be ny afo ho mora ritra.
  3. Arotsaka ny oignon sy ail sy sel sy atody voakapoka. Rehefa mitambaingana ny atody dia vita.

Fanamarihana

Azo soloina haricots verts ny anandrano ary soloina ovy ny atody.

 

Ovy sy atody

Zao no atao eo rehefa irery ato an-trano, hoy ilay namana iray izay hoe « cuisine du reste de frigo et du placard »: Ovy sy Atody. Afaka ampiarahina amin’ny salade anandrano ra toa ka kamo ahandro vary.

Isan’ny olona: 1

Fotoana ikarakarana azy : 10 mn

Fotoana iketrehana azy : 5 mn

Akora ilaina

  • Ovy,
  • Atody,
  • tongolo, sira, poivre, menaka

    Ovy sy atody
    Ovy sy atody

Fikarakarana

  1. Tetehina en rondelles fisaka ny ovy dia endasina amin’ny menaka kely, tsy atao mahazo loko be.
  2. Rehefa hita fa masaka ny ovy, arotsaka ny oignons voatetika en rondelles sy sel sy poivre ary endakendasina miaraka amin’ny ovy.
  3. Arotsaka ny atody voakapoka dia avadika rehefa mitambatra na saromana kely raha tsy tiana ho mendy be ny atody.

 

Laisoa sy atody

Laoka mitsitsy anio : Laisoa sy atody. Mitovitovy amin’ilay ovy sy atody sy saosety sy atody ihany ny fomba fikarakarana azy.

Isan’ny olona: 4

Fotoana hiketrehana azy : 15 mn

Fotoana hikarakarana azy : 15 mn

Akora Ilaina

  • Laisoa;
  • Ail, sira, poivre;
  • Atody.
laisoa sy atody
laisoa sy atody

Fomba fikarakarana laisoa sy atody

  1. Tetehina ny laisoa, endakendasina tsy atao malemy be. Asiana ail sy sel sy poivre.
  2. Arotsaka ny atody voakapoka. Rehefa mahazo marihitra madity dia vita.

Fanamarihana

  • Tsy atao masaka be ny laisoa mba tsy ampavesatra azy satria ny atody efa mavesatra.
  • Afaka tsy ampiarahina amin’ny vary fa amin’ny mofo dipaina. Ankafizin’ny ankizy loatra.

 

Courgette sy atody

Laoka anio, ialana amin’ny hena isanandro: Courgette sy atody. Mitovitovy amin’ny courgette sy totokena ihany ny fomba fikarakarana azy saingy tsy asiana hena fotsiny. Zany hoe sokajiana ao anaty plat végétarien.

Isan’ny olona : 4

Fotoana hiketrehana azy : 15 mn

Fotoana hikarakarana azy: 15 mn

Akora Ilaina

  • Tomates, oignons, gingembre;
  • Courgette;
  • Sel, poivre;
  • Atody.

    Courgette sy atody
    Courgette sy atody

Fikarakarana

  1. Manao sauce tomate sy oignon sy gingembre. Arotsaka ny courgette sy sel ary poivre. Tsy saromana. Atao mahery be ny afo mba tsy halemy ny courgettes.
  2. Arotsaka ny atody voakapoka dia afangaro. Rehefa mitambaingana ny atody dia vita.

Cet article a été écrit par Gaël RAKOTOVAO

Salut, c’est Gaël R., Ingénieur et responsable de projet chez Mada Creative Agency. Je suis spécialiste en marketing digital certifié par Google : 12 ans d'expérience maintenant dans le domaine du Référencement Naturel SEO. Je peux vous former en SXO (SEO + expérience utilisateur UX, c'est la nouvelle tendance en référencement web). Si vous êtes TPE/PME, je peux vous aider à développer votre présence en ligne sur le web. Si vous êtes tombés sur cette page, c'est que ça marche, non ;). Aussi, je rédige régulièrement du contenu et des actus. Ma passion c'est : - la photographie, , d'ailleurs vous pouvez voir mon portfolio de paysages de Madagascar sur cette page sur istock. Je peux également vous former aux techniques de photographie + post traitement sous Lightroom. - les crypto-monnaies : je peux vous former au minage de crypto-monnaies, c'est plus ma spécialité. - le voyage : eh bien, je suis guide touristique attesté par le Ministère du Tourisme. N'hésitez pas à me contacter par courriel : rakotovao.gael@gmail.com ou au Téléphone : +261 (0) 32 82 372 94 . A bientôt !

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *