Sakafo misy ravimbomanga 2 afaka atao laoka

Ao anaty suggestion menu malagasy moa anamamy fa ity ravimbomanga endasina sy akoho fa mitovy ihany ny fanaovana azy.

Ravimbomanga endasina sy akoho

Isan’ny olona: 4

Fotoana ikarakarana azy: 10 mn

Fotoana iketrehana azy : 20 mn

Akora ilaina

  • Menaka,
  • Anana (ravim-bomanga na anamamy),
  • ail, sira, poivre,
  • Akoho.

    Ravimbomanga endasina sy akoho
    Ravimbomanga endasina sy akoho

Fikarakarana ravimbomanga endasina sy akoho

  1. Afanaina mamay tsara ny menaka, arotsaka ny anana, atao mahery be ny afo.
  2. Arotsaka ny ail voatoto tsara sy ny sel, tsy saromana mihitsy. Vao hita fa mifitsaka ny anana dia esrorina. Rehefa mahery ny afo tsy mitera-drano ny anana.
  3. Ny akoho asiana sel sy poivre dia endasina mendy.

Fanamarihana

Laokan’izay maika ho an’ireo mila sopapa ô: Kitozan-kisoa sy ravim-bomanga endasina .

Ravimbomanga endasina sy kitozan-kisoa

Isan’ny olona: 4

Fotoana ikarakarana azy: 20 mn

Fotoana iketrehana azy: 25 mn

Akora ilaina

  • Sel, poivre, ail,
  • Nofon-kisoa,
  • Angivy,
  • Anamamy, ravim-bomanga na Pack choi,

    Kitozan-kisoa sy ravim-bomanga endasina
    Kitozan-kisoa sy ravim-bomanga endasina

Fomba fikarakarana kitozan-kisoa sy ravimbomanga endasina

  1. Asiana sel sy poivre ny nofo-kisoa voatetika lavalava dia endasina amin’ny menaka misimisy ary atokana.
  2. Atao mafana tsara ilay menaka nanendasana kitoza. Arotsaka ny ravim-bomanga miampy sel ary ail. Atao mahery be ny afo. Tsy saromana mba tsy hitera-drano nefa mantamanta.

Fanamarihana

  • Anamamy na pak choi (bemol) koa tsara be atao toa an’io.
  • Afaka asiana ron’angivy ihany ko.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *