Sakafo misy saosety 4 afaka atao laoka

Andramo anie hoe zaza tsy tia sosety no omena ity laoka manaraka ity fa ho hitanao fa tonga izy dia mahalany betsaka avy hatrany: saosety sy totokena.

Saosety sy totokena

Isan’ny olona: 4

Fotoana hikarakarana azy: 5 mn

Fotoana hiketrehana azy : 30 mn

Akora ilaina

  • Saosety maromaro,
  • Totokena,
  • Voatabia, Tongolo, Rano,
  • Sira, poivre,
  • Tamotamo (na colombo)

    Saosety sy totokena
    Saosety sy totokena

Fikarakarana saosety sy totokena

  1. Zaraina roa amin’ny halavany ny saosety, lomana rano 5mn vao voasana hialan’ny ditiny ary tetehina « en dés » vaventy.
  2. Endakendasina ny totokena, arotsaka ny tongolo sy voatabia, avela ho ritra tsara.
  3. Arotsaka ny sosety sy sira sy poivre ary rano mahamasaka azy dia avela hiketrika.
  4. Rehefa ketsaketsa dia asiana Colombo (épices hita eny amin’ny grandes surfaces) fa azo soloina tamotamo koa. Avela hiketrika 3 mn dia vita.

Fanamarihana

Hoan’ireo tsy mihinana hena dia afaka manao sosety sy Totom-boanjo na koa saosety sy atody.

Saosety sy totom-boanjo

Na dia voky mofo makasaoka sy mofo baolina aza dia tena mbola nazoto homany ihany satria saosety sy Totom-boanjo ny laoka. Ela tsy nihinana mantsy.  Mety ho an’ny vehivavy mampinono ihany koa ity laoka ity fa maha-be ronono ho an’ny zazakely.

Isan’ny olona: 4

Fotoana hikarakarana azy: 10 mn

Fotoana hiketrehana azy : 30 mn

Akora ilaina

  • Saosety,
  • tongolo, voatabia, rano,
  • Sira, poivre,
  • tongolo lay
  • voanjo
Saosety sy Totom-boanjo
Saosety sy Totom-boanjo

Fikarakarana Saosety sy Totom-boanjo

  1. Zaraina roa amin’ny halavany ny saosety dia lomana rano 5 mn vao voasana hialan’ny ditiny. Avy eo tetehina « en dés ».
  2. Manao saosy tongolo sy voatabia. Eto dia tsy asiana menaka fa ny ranom-boatabia no nanamasahana ny saosy ary ny voanjo efa mahasolo menaka.
  3. Arotsaka ny sosety sy rano mahamasaka azy sy sira ary poivre.
  4. Rehefa masamasaka dia arotsaka ny totom-boanjo sy tongolo lay kely. Mety daholo na voanjo manta na masaka.
  5. Avela hiketrika 5mn, tsy avela hiraikitra fa atao ketsaketsa.
Saosety sy voanjo
Saosety sy voanjo

Saosety farcie façon gratin

Fikarakarana saosety farcie façon gratin amin’ny fomba nahandro malagasy.

Isan’ny olona: 4

Fotoana hikarakarana azy: 10 mn

Fotoana hiketrehana azy : 30 mn

Akora ilaina

  • Saosety 4,
  • chair à saucisse,
  • 1 tongolo lay,
  • 1 tongolo,
  • thym,
  • poivre, sira
  • farce (omby, kisoa na akoho),
  • fromage
  • vary na mofo

Fikarakarana saosety farcie façon gratin

  1. Rehefa voavaofy ny saosety dia zaraina 2 amin’ny halavany, esorina amin’ny sotrokely ny nofony.
  2. Tetehina madinika ny nofon’ny sosety, afangaro chair a saucisse sy tongolo lay sy tongolo sy thym sy poivre sy sira.
  3. Osorana sira ny atin’ny saosety vao asiana farce (somary matsatso mantsy ny sosety).
  4. Afanaina ny menaka, alahatra ny saosety (ny ahy teto nisy ambiny ny farce ka natao lafika). Asiana rano dia avela hiketrika. Tsy avela halemy be ny sosety.
  5. Rehefa ritra sy antonony ny halemin’ny saosety, rarahana fromage râpé dia saromana hitsonika tsara.
  6. Tsara aroso avy hatrany, azo hinanana vary na mofo.

Tilapia sy saosety

Avy nandeha nanjono androany dia nahazo tilapia maromaro ka tonga dia natao laoka avy hatrany nampiarahina amin’ny sosety. Ka indro ary ny tilapia sy saosety .

Isan’ny olona: 4

Fotoana hiketrehana azy : 15 mn

Fotoana hikarakarana azy : 10 mn

Akora Ilaina

  • trondro tilapia,
  • tongolo sy voatabia;
  • saosety maromaro
  • tongolo lay, sira, poivre;
  • rano.
Akora ilaina Tilapia sy saosety
Akora ilaina Tilapia sy saosety

Fomba fikarakarana tilapia sy saosety

Manao saosy tongolo sy voatabia.

Saosy tongolo sy voatabia
Saosy tongolo sy voatabia

Arotsaka ny sosety, rarahana lay sy sira ary poivre kely.

Arotsaka ny saosety
Arotsaka ny saosety

Apetraka ambony saosety ny trondro, rarahana sira sy poivre kely indray.

Apetraka ambony saosety ny trondro
Apetraka ambony saosety ny trondro

Asiana rano roa vera dia saromana ary avela hiketrika.

Saromana ny tilapia sy saosety
Saromana ny tilapia sy saosety

Fanamarihana

  • Tsy aroina mihitsy fa ny vilany no ahetsiketsika matetika mba tsy hiraikitra.
  • Tsy ataoko ritra be fa avela hisy sauce.
  • Ny tongolo lay  eto dia azo potserina na tetehina fotsiny.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *