Makasaoka (beignet sucrée) izay tsara atao sakafo maraina ampiarahina amin’ny dite na cafe.
Isan’ny olona: 4
Fotoana ikarakarana azy: 5 mn
Fotoana iketrehana azy : 15mn
Akora ilaina
- 1 baguette de pain français
- 1 oeuf,
- 4 c à s de sucre
- 200 g de farine,
- 1/2 tasse d’eau
- un peu d’huile
Fikarakarana Makasaoka
- Tetehina fisaka tsy manify loatra ny mofo.
- Omanina ny pate: afangaro ny 1 jaune d’oeuf sy 4 càs sucre sy 200 g de farine sy 1/2 tasse d’eau.
- Kapohana en neige mitokana kosa ny 1 blanc d’oeuf vao afangaro amin’ny pate (astuce maha-moelleux ny beignets no tsy mampitroka menaka).
- Ampandalovana pate ny mofo, atao vonto tsara. Avela hilona kely 2mn dia endasina. Tsy mila menaka be.

Mazotoa homana!
© Rova Andriantsoa.