Gâteau caramélisé aux pommes

Tao aorinan’ilay recette de beignets de pomme sy ilay recette de gâteau à la banane, dia ity indray ary ny gâteau caramélisé aux pommes cuit à la vapeur.

Isan’ny olona: 4

Fotoana ikarakarana azy: 15 mn

Fotoana iketrehana azy : 40 mn

Akora ilaina

 

  • Atody 4
  • 200g de farine
  • 150g siramamy
  • 1 càc de levure chimique
  • 75g de beurre mou
  • pincée de sel
  • 100g de sucre pour le caramel
  • 3 pommes
  • 1 citron lehibe (ny hodiny no ilaina)

 

Fikarakarana gâteau caramélisé aux pommes

  1.  Kapohana mandra-paha fotsy ny siramamy sy atody.
  2. Arotsaka ny beurre mou (beurre malemy be) dia kapohana indray.
  3.  Kikisana ny hoditra citron dia afangaro ao.
  4. Afangaro ny farine sy levure chimique.
  5. Arotsaka ny farine sy levure efa mifangaro dia afangaro tsara.
  6. Mampangotraka rano, asiana kapoaka na vilany kely mivadika toy izao (io no andrahoina azy avy eo fa mila omanina mialoha).

Caramel: Empoina amin’ny afo malefaka ny sucre.

  1. Atao anaty moule na cul de poule na lovia jobo mahazaka mamay ny caramel, asiana tsara ny sisiny. Alahatra ny atssaky ny pommes efa voavaofy sy voala voany ary voafisaka tsy manify loatra.
  2. Arotsaka ny atsasaky ny pate, alahatra ny atsasaky ny pommes efa noesirina voany sy nofisahana tsy manify loatra.
  3. Arotsaka ny ambina pate, atao anaty vilany efa misy rano mangotraka sy vilany kely na kapoaka mivadika ny moule, saromana ny vilany, ny rano atao magotraka tsara foana. Cuisson 40mn. Tsatohana antsy ka rehefa tsy misy manaraka intsony dia masaka.

Toy izao izy rehefa masaka:

Masaka
Masaka

Mazotoa mamerina!

© Rova Andriantsoa