Tsa-tsiou malagasy amin’ny fomba tsotra ho an’ireo tsy manana lafaoro.
Isan’ny olona: 4
Fotoana ikarakarana azy: 5 mn
Fotoana iketrehena azy : 30mn
Akora ilaina
- Huile,
- ail,
- gingembre,
- 3 cuillère à soupe de sauce soja,
- 2 cuillère à soupe de miel,
- 1/4 cuillère à café de sel,
- 1 cuillère à café de 4 épices,
- 500g de viande de porc (soro-kisoa).
- colorant alimentaire
Fikarakarana Tsa-tsiou gasy
- Lomana ny alina amin’ny huile ny ail voatoto tsara sy ranona gingembre sy 3 càs de sauce soja sy 2 càs de miel sy ny 1/4 càc de sel sy 1 càc de 4 epices (hita eny amin’ny pavillon na mpivarotra épice hafa) ary ny soro-kisoa na mitetika na tsia araka izay tiana. Raha tiana ho mena toy ny eny @ restaurants dia asiana colorant alimentaire.
- Ny ampitso atao anaty vilany na lapoaly jobo ireo rehetra ireo. Asiana rano 1 verre ary avela ho mendimendy tsara.
- Rehefa manomboka ritra ka mitsetsatsetsa ny lapoaly dia avadibadika sady akosokosoka amin’ny lapoaly ny hena ahazo loko tsara ny lafiny rehetra.

Fanamarihana
- Azo ampidirina lafaoro na koa atsatsika amin’ny barika misy afo izy ity.
- Raha miditra lafaoro 200° dia eo amin’ny 1h eoeo ny temps de cuisson. Mora masaka ny echine.
Mazotoa homana!
© Rova Andriantsoa