Chao pao au poulet

Nahandro chao pao au poulet. Afaka soloina toto-kena omby na toto-kena kisoa ny akoho eto.

Isany: 15

Fotoana ikarakarana azy: 1h 10mn

Fotoana iketrehana azy: 15 mn

Akora ilaina : pate

  • 500g de farine
  • 1 sachet levure Saf Instant
  • 1 càc sel
  • pincée de sucre
  • 2 càs huile
  • 50 cl eo ho eo ronono mamay (alefa tsikelikely)

Akora ilaina : farce

  • 300g nofon akoho
  • 2 càs sauce soja
  • 1,5 càs miel
  • sel kely
  • poivre
  • 4 oignons
  • coriandre

Fikarakarana chao pao au poulet

  1. Afangaro ny ingrédients rehetra ilaina aminy pâte. Kosehina 10mn mandra-pahazo pâte maina sy souple. repos 1h anaty bol lehibe. Saromana lamba, atao aminy toerana tsy akaiky vava rivotra hitomboan ny pâte.
  2. Mandritry ny repos pâte tetehana madinika ny nofon akoho. Tetehana ny coriandre sy oignon dia afangaro ny akoho. Asiana sauce soja,sel kely,poivre ary miel. Avela hilona.
  3. Zaraina 15 boules ny pâte, somary volavolaina vao fisahana tsirairay. Asiana farce manta (mba tsy ho maina be ny farce rehefa masaka).
  4. Ahorona ny sisin ny pâte hikatona. Apetraka ambony papier A4 efa notapatapahana mialoha ilay partie avy nakatona, Izany hoe avadika ka ilay face miketronketrona no mitohoka amin’ny taratasy (fa tsy toy ny eo @ sary).
  5. Mampangotraka rano mialoha. Apetraka ambony passoire ilay face misy taratasy. Apetraka anaty vilany ny passoire, tsy atao mikasika ny rano dia saromana (ny ahy rice-cooker fa raha vilany dia asiana kapoaka mivadika anaty vilany misy rano).
  6. Cuisson 15mn, mila mangotraka foana ny rano mandritry ny 15mn (cuisson à la vapeur).
  7. Rehefa hamana azy dia ampifanaingainina anaty passoire toy ny nandrahoana azy dia apetraka anaty vilany misy kapoaka mivadika ihany, tsy atao mikasika ny rano.
recette pao malgache
Pao na Chao Pao

© Rova Andriantsoa