Hom Bao na Brioche chinois na koa Pao. Azo ilazana azy daholo ireo.
Isany: 10
Fotoana hikarakarana azy: 10 mn , temps de pause : 30mn
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Sommaire
Akora ilaina
- Farine. 500g,
- levure boulanger ( Fermipan na Saf instant) 1 c à café,
- Sucre: 2 c à soupe,
- huile: 5 c à soupe,
- sel,
- Eau. 1/4 l
Fomba fikarakarana Hom Bao na Brioche chinois

Fikarakarana Farce
- Tsa-Tsiou 150g
- Sauce huître 1 c à soupe
- Sauce soja noire 1 c à soupe
- Maïzena 2 c à soupe
- Sucre 2 c à café
- Sel
Afangaro ireo rehetra ireo de atokana.
Fikarakarana Pâte
- Atao anaty bol ny farine sy sucre sy sel ary huile.
- Alefa ihany koa ny levure efa nolevonina tamin’ny rano kely matimaty.
- Afangaro ary arotsaka tsikelikely ny rano. Tsy voatery alefa ao daholo ny 1/4l fa rehefa tsy miraikitra amin’ny tanana ny pâte dia mety. Kosehina tsara.
- Avela hipetraka amin’ny toerana mafampana mba hitombo mandritra ny 1heure eo ho eo.
- Vita izay, dia volavolaina indray ary zarazaraina (eto dia mahavita 10 eo ho eo).
- Fisahana boribory amin’ny rouleau. Apetraka eo ampovoany 1c à café farce ( tandremo tsy hitsindranoka).
- Aforitra avy eo ivelany mankeo ambony. Tsongoina mba hihidy tsara.
- Apetraka eo ambony taratasy voatetika efajoro (na papier sulfurisé).
- Avela hitombo kely ndray 30mn.
- Atao anaty panier vapeur (na Rice cooker).
- Andrahoina à la vapeur mandritra ny 15mn eo ho eo.
Mazotoa ary o.

Nanolotra: Ma Jo’Rhel Nyvo