Ito indray ary ny sakafo androany : « Sakafo Betsimisaraka » izy ity. Trondro sy ravitoto afangaro, tena tsara be mintsy.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Fotoana hiketrehana azy: 1h 40 mn
Akora ilaina
- Ravitoto nototona niaraka tamin’ny tongolo gasy.
- Voatabia, tongolo be, menaka, jumbo.
- Trondro (mety daolo na poissonnerie na trondro gasy na ranomasina na ranomamy).
- Sira, rano.
Fomba fiarakarana Trondro sy ravitoto

- Doroina hafana tsara ny menaka aloha.
- Arotsaka ao avy eo ny votabia sy tongolo dia atao masaka tsara ka arahina Jumbo.
- Rehefa vita izay rehetra izay dia arotsaka amin’izay ny ravitoto.
- Asina rano ilay izy avy eo fa tsy atao betsaka loatra fa atao izay mahasarona kely azy fotsiny.
- Rehefa vita izay dia arotsaka avy hatrany ny sira ka saromana iny mba ho masa-maintso. Atao mandritra ny 15mn raha farany ela.
- Rehefa hita fa masamasaka ny ravitoto dia alahatra tsara eo amboniny ny trondro ka somary alentika any anaty ravitoto mba hahazo tsiro tsara.
- Tampohana rano kely eo amin’ny 1/2 vera lava eo dia endrasana ho ritra tsara ny ravitoto. Tsy asiana rano mintsy na dia kely aza.
Fanamarihana
- Afaka atao be menaka mba hampafilotra azy bebe kokoa.
Nanolotra: Chenia La Rose