Raha mbola tsy manana idée atao laoka ity misy steak chinois. Sady ankafizin’ny ankizy ny steak ampiarahina amin’ny frites na pates.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 1h 15 mn
Akora Ilaina
- Nofo-kena,
- Ail, gingembre,
- Sauce soja,
- Sel, poivre, huile,
- Fécule de manioc,
- 4 épices .

Fomba fikarakarana Steak chinois
- Fisahana ny nofo-kena ary kapokapohana amin’ny vodiny antsy be na rouleau hamakiana ny fibres.
- Lomana ail sy gingembre sy sauce soja sy sel sy poivre sy huile sy fecule de manioc sy 4 epices mandritra ny adiny 1h na mihoatra.
- Endasina tsy asiana menaka intsony ary tsy atao mendy be.
Fanamarihana
Tsy ataorana iraikitra ny fécule de manioc na endasina tsisy menaka aza satria efa misy huile ny macération.
Mazotoa homana!

Nanolotra: Rova Andriantsoa.