Tao aorinan’ny recette de steak chinois dia indro atolotra anareo anio ny recette de steak pané. Nikarakaraina tamin’ny fomba gasy ihany.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 45 mn
Akora Ilaina
- Nofon-kena,
- Ail, gingembre,
- Sauce soja,
- Sel, poivre, huile,
- Atody,
- Chapelure.
Fomba fikarakarana Steak pané
- Lomana 30mn ao anatin’ny ail sy gingembre sy sauce soja sy sel kely sy poivre ny nofo-kena rehefa voafisaka sy voakapokapoka amin’ny rouleau na vodin antsy be hamakiana ny fibres ka halemy tsara.
- Ampandalovina atody voakapoka nasiana sauce soja kely, avy eo chapelure dia endasina.

Fanamarihana
Ampiarahina amin’ny salade na lasary manga.
Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.