Poulet pané à la façon malagasy

Poulet pané: anisan’ny sakafo tsotra sy mora nefa tena ankafizin’ny maro izy ity. azo atao nature na mariné ka araka izay hitiavana azy ny marinade. Ohatra ny fampiasana condiments toy ny ail, gingembre, epices, sauces na koa herbes toy ny thym, romarin, sns.

Isan’ny olona: 4

Fotoana ikarakarana azy: 15 mn + temps d’attente de 30mn.

Fotoana iketrehana azy : 30 mn

Akora ilaina

 

  • Poulet
  • Sel, poivre, gingembre, ail,
  • sauce soja,
  • oeuf
  • farine,
  • chapelure,
  • huile

 

Fikarakarana poulet pané

 

  1. Tetehina fisapisaka ny nofon’akoho, asiana sel sy poivre sy gingembre sy sauce soja sy ail ary avela hilona 30mn.
  2. Kapohana ny atody, tsy asiana sel fa sauce soja kely.
  3. Ampandalovina vovoka farine manify tsirairay ny nofon’akoho, avy eo ampandalovina ilay atody voakapoka ary farany ampandalovina chapelure.
  4. Afanaina tsy mamay be ny menaka dia endasina mandra-paha doré tsara ny akoho.
recette poulet pané croustillant
recette poulet pané croustillant

Fanamarihana

 

  • Sady ho fanitsiana no fampianarana. maro no miantso azy ity hoe Croquette de Poulet, fa ny croquette dia mixer-na mihitsy ny akoho ary afangaro ireo epices dia volavolaina izay vao asiana panure.
  • Tsy voatery ho poulet de chair no ampiasaina eto fa raha akoho gasy vatombatony mety ihany fa raha ilay efa tena lehibe mety ho mafy hena be.

Mazotoa homana!

© Rova Andriantsoa