Boulettes de porc aux légumes indray ary no soson-daokantsika anio (recette de chair à saucisse).
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Boulettes de porc aux légumes
Akora Ilaina
- 350g nofo-kisoa,
- 150g de lard,
- ail, sel, poivre, eau
- tomate, oignon,
- thym,
- légumes.
Fomba fikarakarana boulettes de porc aux légumes
- Miaraka mixer-na ny 350g nofo-kisoa sy 150g de lard sy ail sy sel sy poivre sy thym. Atao boulettes dia andrahoina amin’ny rano kely. Avela hitera-menaka sy ho mendy dia atokana.
- Manao sauce tomate sy oignon. Arotsaka ny legumes tiana sy sel sy rano kely. Tsy atao malemy be.
- Rehefa tonga amin’ny hamasahana itiavana azy dia arotsaka ny boulettes ary avy eo avela hangotraka kely.
Mazotoa homana!

Veuillez noter l'article :