Tao aorinan’ny saucisses fumées au pak choi et aux échalottes dia indro atolotra anao manokana ny fomba fikarakarana lasoupy gasy antsoina hoe soupe au pak choi .
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 25 mn
Akora Ilaina
- Pates gasy,
- Atody,
- Nofo-kena,
- Ail, gingembre,
- Sira, menaka, rano,
- Tantely,
- 4 épices,
- Pak choi.

Fomba fikarakarana soupe au pak choi
- Andrahoina ny pates dia atokana.
- Endasina ny omelette dia tetehina ary atokana ihany koa.
- Tetehina lavalava ny nofo-kena avy eo asiana ail sy gingembre sy sira sy tantely sy 4 épices sy poivre misimisy ary endasina.
- Arotsaka anaty rano mangotraka ny hena mendy sy ny omelettes dia avela hitanika 10mn. Farany dia arotsaka ny pates sy ny pak choi ary saromana 1 mn dia aroso.
Fanamarihana
Anana bémole na koa tissam de chine na tissam chinois no azo iantsoana ny pak choi.

Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.