Iza no tsy tia atao gouter? Sady tsotra no tsy lafo. Patate frite na vomanga endasina. Ny anay sucré – salé no itiavanay azy, ny vomanga moa mamy.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 10 mn
Fotoana hikarakarana azy: 5 mn
Akora Ilaina
- Vomanga;
- Dobera (beurre)
- Sel, poivre.
Fomba fikarakarana Patate frite na vomanga endasina
- Sasana ny vomanga dia voasana raha tiana.
- Asiana sira sy poivre dia endasina amin’ny dobera.
Fanamarihana
- Atao nature koa mety, zany hoe sady tsy salé no tsy sucrée.
- Rehefa mihinana azy dia ampiarahina amin’ny confiture goyave fait maison na izay confiture misy.
- Fomba iray hanomezana hanikotrana ny zaza tsy tia mihinana an’ireny, saonjo atao bolety, mangahazo atao mofo, katsaka atao solovolo, vomanga endasina, sns….
- Bele mendy ko azon iantsoana ny vomanga endasina any am faritra atsimo.
Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.