Tsy tapaka farine mihintsy ato an-trano ka tao aorinan’ny Pizza bolognaise à la poêle sy ny Pizza à la saucisse fumée et aux poivrons dia indro indray ary ny pizza à la poele (classique).
Isany: 8 pizzas
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 1h 15mn
Akora Ilaina
- 500g de farine,
- 1 sachet de levure boulangère,
- 2 càs d’huile,
- 1 càc de sel,
- 2 càs de sucre,
- 50cl d’eau chaude,
- Tomates, oignons,
- Sel, sucre, poivre, thym,
- Huile,
- Charcuterie,
- Saucisse fumée ou viande de boeuf, de poisson, de poulet, de porc;
- fromages rappées,
- Poivrons (facultatif),

Fomba fikarakarana Pizza à la poele
Pate pour 8 pizzas en moyennes: afangaro ny 500g de farine sy 1 sachet de levure boulangère Saf Instant sy 2 cas d’huile sy 1 cac de sel sy 2 cas de sucre sy 50cl d’eau chaude. Rehefa mitambatra tsara dia kosehina mandritra ny 10mn dia atao ao anaty bol lehibe. Avy eo dia fonosina lamba mafana mandritra ny adiny 1h mba hitombo.
Garniture: voasana ny tomates misimisy ary andrahoina miaraka amin’ny oignons sy sel sy sucre sy poivre ary thym. Rehefa ridritra vao asiana huile sy charcuterie na saucisse fumée na izay hena tiana. Eto dia nasiana poivrons.
Cuisson:
- Zaraina 8 boules ny pate ary fisahana tsirairay avy.
- Osorana huile ny lapoaly ary atao amin’ny afo malefadefaka. Apetraka ny pate. Rehefa doré kely ny face iray dia avadika.
- Apetraka avy hatrany ny garniture sy ny fromage rapé dia saromana ny lapoaly. Avela hitsonika ny fromage dia vita. Atao toy izay hatrany ny 8 boules.

Fanamarihana
- Tsy asiana rano ny garniture fa ny tomate dia mitera-drano ampy azy. Ny fromage dur no atao ambony indrindra amin’ny farany fa raha fromage fondu no hananana dia tsara kokoa afangaro amin’ny garniture.
- Mety ny fromage gasy fa kendrena ilay maina tsara rehefa mividy azy.
- Betsaka ny tsy mahay fa: Cac = sotrokelina kafe ary Cas= sotro fihinanam-bary.
- Malefaka tsara io pate io raha arahana tsara ny recette sy temps de pause.
- Osorana menaka fotsiny ny lapoaly fa tsy atao menaka betsaka.
Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.