Tao aorinan’ny salade composée dia atolotra anareo anio indray ny fomba fanamboarana composé malagasy.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Akora Ilaina
- Ovy,
- Betterave,
- vinaigre,
- sel, poivre,
- mayonnaise,
- pate gasy,
- tomate, oignon,
- poivrons,
- oeufs,
- ciboulettes.

Fomba fikarakarana Composé malagasy
Salade Russe: samy andrahoina ny ovy sy betterave ary tetehina en dé dia asiana vinaigre sy sel sy mayonnaise.
Pates aux poivrons: andrahoina ny paty gasy dia atokana. Manao sauce tomate sy oignon kely. Arotsaka ny poivrons ary tsy atao masaka be. Asiana sel sy poivre. Afangaro amin’ny pates. Asiana oeufs durs sy boulettes.
Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.