Laoka anio: laoka tsotra sady mora vita. Atao ra sendra taratara vao ahandro laoka: boulettes de viande et achards de légumes. Mitovitovy amin’ny boulettes chinoise sy hena baolina ihany ny fanaovana azy.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Akora Ilaina
- Totokena 250g;
- Sel, poivre, oignon, ail, gingembre;
- Atody 1;
- Cordiandre, curry;
- Huile, vinaigre;
- Carotte;
- Haricot vert;
- Laisoa;
Fomba fikarakarana boulettes de viande et achards de légumes

- Afangaro ny totokena 250g sy sel sy poivre sy ail sy gingembre sy 1 oeuf ary coriandre. Atao boulettes dia endasina ary atokana.
- Arotsaka anaty huile nanendasana ny boulettes ny lasary gasy efa voatetika (carotte sy haricot vert ary laisoa). Asiana ail sy oignon sy sel sy poivre sy curry ary vinaigre. Atao mahery be ny afo mba ho « croquants ». vita.
Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.