Mafana ny andro ka atao maivamaivana, mety tsara ho an ireo te-hanena vatana: légumes à la vinaigrette.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hikarakarana azy: 25 mn
Fotoana hiketrehana azy: 30 mn
Akora ilaina
- Poireaux
- Concombre
- Citron
- Radis
- Vinaigre
- Sucre
- Huile
- Oignon
Fomba fikarakarana légumes à la vinaigrette
- Andrahoina 8mn ny vodina poireaux dia tsihifina ary avela hangatsiaka.
- Tetehina ny concombre sy radis.
- Samy alahatra ambony lovia ireo dia rarahana vinaigrette ny oignon, sel, sucre, huile, vinaigre ary ny citron.

Fanamarihana
- Ny fanadiovana ilay vodina poireaux misy fotaka ireny dia esorina ny hodiny mipetraka tamin ‘ny tany dia mety.
Mazotoa homana!
©Rova Andriantsoa