Ito ary ny catless kabaro pour 20 pieces. Azoatao laoka na gouter.
Isany: 20
Fotoana hikarakarana azy: 20 mn
Fotoana hiketrehana azy: 30 mn
Sommaire
Akora ilaina
- Kabaro 1 kapoaka
- Totokena 250g
- Sel
- Poivre
- Ciboulette
- Coriandre
- Huile
Fomba fikarakarana Catless kabaro
- Andrahoina halemy voapotsitry ny tanana ny kabaro 1 kapoaka.
- Potserina amin’ny fourchette dia voasana raha mahavita.
- Afangaro aminy ny totokena manta 250g ny sel, poivre, ciboulette, coriandre.
- Volavolaina boribory fisaka tsara avy eo.
- Ampandalovina atody voakapoka dia endasina amin’ny menaka mafana tsara.

Fanamarihana
- Ny ranon’ilay kabaro dia azo asiana karaoty sy céleri dia potserina kely avy eo.
Mazotoa homana!
Jereo ihany koa
©Rova Andriantsoa