Catless de haricot, recette original indray ity, vita malagasy hatrany.
Isan’ny olona: 4
Fotoana hiketrehana azy: 15 mn
Fotoana hikarakarana azy: 15 mn
Akora Ilaina
- Tsaramaso (haricot) 1 kapoaka;
- Toto-kena omby 250g;
- Sel, poivre;
- Coriandre (kotomila);
- Ciboulette (tongolo maitso);
- Atody.

Fomba fikarakarana catless de haricot
- Andrahoina malemy ny tsaramaso ( mety daholo na lena na maina ) dia potserina.
- Afangaro amin’ny tsaramaso voapotsitra ny toto-kena sy sel sy poivre sy coriandre ary ciboulette.
- Volavolaina boribory fisapisaka.
- Kapohana ny atody, ampandalovina ao tsirairay ny catless dia endasina. Atao amin’ny afo somary mahery. Aza adino ny salade.

Mazotoa homana!
Nanolotra: Rova Andriantsoa.